عن أبي هريرة رضي الله عنه: أن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«لَا تَجْعَلُوا بُيُوتَكُمْ مَقَابِرَ، إِنَّ الشَّيْطَانَ يَنْفِرُ مِنَ الْبَيْتِ الَّذِي تُقْرَأُ فِيهِ سُورَةُ الْبَقَرَةِ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 780]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Aza ataonareo ho toy ny fasana ny tranonareo, tena marina fa mandositra ny trano namakiana ny Sorat Al-Baqarah i Satana.”

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 780]

Ny fanazavana

Noraràn'ny Mpaminany (S.A.W) ny tokantrano tsy hanaovana swalat ka lasa ho toy ny fasana izay tsy hanavaon'ny olona Swalat.
Avy eo i Mpaminany (S.A.W) nampahafantatra fa i Satana dia mandositra ny trano izay hamakina ny Sourat Al-bakarat.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsaratsara ny manabetsaka ny fanompoana sy ny vavaka an-tsitrapo (Swalat Sounna) ao an-trano.
  2. Tsy azo atao ny manao Swalat any am-pasana; Satria izany fomba mitarika amin'ny fanompoan-tsampy sy fihoaram-pefy eo amin'ny mpanao azy, ankoatra ny Swalat Al-Janaza (vavaka amin'ny maty).
  3. Ny fandrarana ny fivavahana any am-pasana dia fiombonan-kevitr'ireo mpanaradia, ka izany no nahatonga an'ny Mpaminany (S.A.W) nandrara ny trano hatao toy ny fasana izay tsy tokony hivavahana mihitsy.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (62)