+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه: أن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«لَا تَجْعَلُوا بُيُوتَكُمْ مَقَابِرَ، إِنَّ الشَّيْطَانَ يَنْفِرُ مِنَ الْبَيْتِ الَّذِي تُقْرَأُ فِيهِ سُورَةُ الْبَقَرَةِ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 780]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Aza ataonareo ho toy ny fasana ny tranonareo, tena marina fa mandositra ny trano namakiana ny Sorata Al-Baqarah i Satana.”

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 780]

Ny fanazavana

Noraràn'ny Mpaminany (S.A.W) ny tokantrano tsy hanaovana swalat ka lasa ho toy ny fasana izay tsy hanavaon'ny olona Swalat.
Avy eo i Mpaminany (S.W.A) nampahafantatra fa i Satana dia mandositra ny trano izay hamakina ny Sourat Al-bakarat.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina Okranianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsaratsara ny manabetsaka ny fanompoana sy ny vavaka an-tsitrapo (Swalat Sounna) ao an-trano.
  2. Tsy azo atao ny manao Swalat any am-pasana; Satria izany fomba mitarika amin'ny fanompoan-tsampy sy fihoaram-pefy eo amin'ny mpanao azy, ankoatra ny Swalat Al-Janaza (vavaka amin'ny maty).
  3. Ny fandrarana ny fivavahana any am-pasana dia fiombonan-kevitr'ireo mpanaradia, ka izany no nahatonga an'ny Mpaminany (S.A.W) nandrara ny trano hatao toy ny fasana izay tsy tokony hivavahana mihitsy..