+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ: أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«لاَ تَقُومُ السَّاعَةُ حَتَّى تَطْلُعَ الشَّمْسُ مِنْ مَغْرِبِهَا، فَإِذَا طَلَعَتْ فَرَآهَا النَّاسُ آمَنُوا أَجْمَعُونَ، فَذَلِكَ حِينَ: {لاَ يَنْفَعُ نَفْسًا إِيمَانُهَا لَمْ تَكُنْ آمَنَتْ مِنْ قَبْلُ، أَوْ كَسَبَتْ فِي إِيمَانِهَا خَيْرًا} [الأنعام: 158] وَلَتَقُومَنَّ السَّاعَةُ وَقَدْ نَشَرَ الرَّجُلاَنِ ثَوْبَهُمَا بَيْنَهُمَا فَلاَ يَتَبَايَعَانِهِ، وَلاَ يَطْوِيَانِهِ، وَلَتَقُومَنَّ السَّاعَةُ وَقَدِ انْصَرَفَ الرَّجُلُ بِلَبَنِ لِقْحَتِهِ فَلاَ يَطْعَمُهُ، وَلَتَقُومَنَّ السَّاعَةُ وَهُوَ يَلِيطُ حَوْضَهُ فَلاَ يَسْقِي فِيهِ، وَلَتَقُومَنَّ السَّاعَةُ وَقَدْ رَفَعَ أَحَدُكُمْ أُكْلَتَهُ إِلَى فِيهِ فَلاَ يَطْعَمُهَا».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 6506]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.D) : Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe :
" Tsy ho tonga no tsy higadona ary tsy ho avy mihitsy ny fara-Andro mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana, ka rehefa miposaka ny Andro ka hitan’ny Olona avokoa izany fiposahany avy any andrefana izany, dia eo vao lasa hino avokoa izy rehetra. Amin'ny fotoana izay : { Tsy hisy tombotsoa ny finoana Azy ho an'ny Olona izay tsy nino teo aloha, na izay tsy nahazo valisoa na kely aza tamin'ny finoany } [ Al-Ana'm 158]. Ary hitsangana ny Andro farany ka ny lehilahy roa namelatra ny lamban'izy roa eo anelanelany, ka tsy nifampivarotra na koa namalona izany. Ary ho tonga ny Andro farany ka ny lehilahy iray avy nitery ronon-drameva ka tsy tafisotro izany ary hitsangana tokoa ny ora farany ary nanamboatra kamorondranony nefa tsy tafisotro akory, Ary ho avy ny fotoana farany izay hanandratan’ny anankiray Aminareo ny haniny ho eo am-bavany nefa tsy hihinan-kanina.”

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Mampahafantatra ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) fa anisan'ireo famantarana lehibe manoloana ny amin'ny fisiany Andro farany dia ny fiposahan'ny Masoandro avy any andrefana fa tsy avy any atsinanana intsony, ary rehefa hitan'ny Olona rehetra izany dia hino avokoa izy ireo. Ka amin'ny izany fotoana izany, dia tsy hahasoa an'ireo rehetra tsy Mpino ny finoan'izy ireo, ary tsy hahasoa azy ireo intsony ihany koa ny asa soa izay nataon'izy ireo na ny fibebahana sy ny fiverenana amin'ny Tompo Allah. Avy eo dia Nampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny ora farany dia tsy maintsy hiseho sy hitranga ary tsy maintsy ho tonga amin'ny endrika tampoka; ho tonga tokoa izany ary ny Olombelona dia eo ampanaovana ny raharahan'izy ireo sy ny zavatra mahazatra azy ireo andavanandro. Ka ho tonga ny Andro farany, ka ny mpivarotra sy ny mpividy dia samy efa namelatra ny lamban'izy roa avokoa, ka tsy nifampivarotra na koa namalona izany. Ary ho tonga ny Andro farany ka ny lehilahy iray efa naka ny ronon'ny ramevany nefa tsy tafisotro izany akory, Ary ho tonga ny Andro farany ka ny lehilahy dia eo ampanamboarana ny tavin-dranony ka tsy tafisotro izany akory. Ary ho tonga ny Andro farany ary ny lehilahy iray mampiakatra ny sakafony any am-bavany hihinana izany nefa tsy tafihoaniny indray akory ilay sakafo.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny finoana Islamo sy ny fibebahana dia azo ekena raha mbola tsy miposaka avy any andrefana ny Masoandro.
  2. Famporisihana ny fiomanana amin’ny Ora farany amin’ny alàlan'ny finoana sy ny asa tsara; Satria na ho ela na ho aingana fa tsy maintsy ho tonga tampoka ny Ora farany.