+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«وَالَّذِي نَفْسِي بِيَدِهِ، لَيُوشِكَنَّ أَنْ يَنْزِلَ فِيكُمْ ابْنُ مَرْيَمَ حَكَمًا مُقْسِطًا، فَيَكْسِرَ الصَّلِيبَ، وَيَقْتُلَ الخِنْزِيرَ، وَيَضَعَ الجِزْيَةَ، وَيَفِيضَ المَالُ حَتَّى لاَ يَقْبَلَهُ أَحَدٌ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 2222]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
"Mianina aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, Efa hidina eo aminareo ho mpitsara marina i zanak'i Maria, ka hanapaka ny hazo fijaliana, hamono ny kisoa, hanala ny hetra, ary hampamaro ny harena ka tsy misy handray azy intsony ny olona".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 2222]

Ny fanazavana

Nianiana ny Mpaminany (S.A.W) fa akaiky ny fidinan'i Jesoa zanak'i Maria (S.A.W) dia hitsara eo amin'ny olona amin'ny fahamarinana araka ny lalàn'i Mohammad izy. Ary hotapahiny ny hazo fijaliana izay hajain’ny Kristianina. Ary i Issa (A.S) dia hamono ny kisoa. Ary izy dia tsy hitaky ny hetra fa hiantso ny olona rehetra hiditra hanaraka ny finoana silamo. Ary hihoatra ny harena ary tsy hisy haka intsony izany, noho ny hamaroany, sy ny fahampian'ny eo an-tanan'ny tsirairay, ary ny fidinan'ny hatsarana sy ny fifandimbiasan'ny fahasoavana.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Indoneziana Aigoria Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Alimanina Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina Kanadianina Okranianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanamarinana ny fidinan'i Issa (A.S) amin'ny fotoana farany, ary izany dia anisan'ny famantarana ny fahatongavan'ny andro farany.
  2. Ny lalàna noentin'ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy azon'ny hafa atao ny manala azy.
  3. Ny fidinan'ny fahasoavana ara-karena amin'ny fotoana farany, nefa ny olona tsy miraharaha izany.
  4. Vaovao mahafaly momba ny fijanonan’ny finoana silamo, satria hitsara amin'izany i Issa (A.S) amin’ny fotoana farany.