عَنِ شُرَيْحٍ بنِ هانِئٍ قَالَ:
سَأَلْتُ عَائِشَةَ، قُلْتُ: بِأَيِّ شَيْءٍ كَانَ يَبْدَأُ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ إِذَا دَخَلَ بَيْتَهُ؟ قَالَتْ: بِالسِّوَاكِ.

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 253]
المزيــد ...

Tatitra avy tamin'i Shorayh bin Hani' niteny hoe :
Nanontany an'i Aisha (R.A) aho, dia hoy aho : Inona no zavatra nanombohan'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa niditra tao an-tranony izy? Dia namaly izy hoe : Amin'ny siwak (fiborosina nify).

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 253]

Ny fanazavana

Iray amin'ny fitarihan'ny Mpaminany (S.A.W) ny manomboka mampiasa ny siwak raha miditra ao an-tranony izy na oviana na oviana, na andro na alina.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha-ara-dalàna ny siwak amin'ny ankapobeny amin'ny fotoana rehetra, ary voamarina izany : Amin'ny fotoana atolotry ny sharia, ao anatin'izany : rehefa miditra ao an-trano, rehefa mivavaka, rehefa misasa, rehefa mifoha amin'ny torimaso, ary rehefa miova fofona ny vava.
  2. Fanazavana momba ny fahazotoan'ny mpanara-dian'ny Mpaminany (S.A.W) manontany momba ny toe-piainan'ny Mpaminany sy ny Sonnah-ny mba hanarahany azy.
  3. Ny fakana fahalalana avy amin’ny tompony sy ireo izay mahafantatra azy tsara indrindra, tahaka an’i Aisha, no nanontaniana momba ny toe-piainan’ny Mpaminany (S.A.W), rehefa miditra ny trano izy.
  4. Fahatsaran'ny fiainan'ny Mpaminany (S.A.W) miaraka amin'ny fianakaviany, toy ny nanadiovany ny vavany rehefa niditra.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (46)