عَنْ حُذَيْفَةَ رضي الله عنه قَالَ:
كَانَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ إِذَا قَامَ مِنَ اللَّيْلِ يَشُوصُ فَاهُ بِالسِّوَاكِ.

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 245]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Hozaifa (R.A) nilaza izy :
Rehefa mifoha amin'ny alina ny Mpaminany (S.A.W), miborosy ny vavany amin'ny siwak.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 245]

Ny fanazavana

Matetika ny Mpaminany (S.A.W) no nanadio ny vavany tamin'ny siwak sy nandidy ny amin'izany, ary nohamafisiny ny fanaovana izany tamin'ny fotoana sasantsasany, toy ny : manao siwak rehefa mifoha amin'ny alina, satria ny Mpaminany (S.A.W) dia nikosoka ny vavany amin'ny siwak.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Manaporofo ny maha ara-dalàna ny fampiasana ny siwak aorian'ny torimaso alina, satria ny torimaso manova ny fofon'ny vava, ary ny siwak no fitaovana fanadiovana.
  2. Manamafy ny maha ara-dalàna ny siwak rehefa misy fiovan'ny fofona ratsy eo amin'ny vava, ho fakana ilay voalaza teo aloha.
  3. Ny maha ara-dalàna ny fahadiovana amin'ny ankapobeny, ary izany dia ao anatin'ny Sonat Mpaminany (S.A.W) sy ny fahalalam-pomba ambony indrindra.
  4. Ny fanaovana siwak ny vava iray manontolo dia ahitana : ny nify, ny hihy ary ny lela.
  5. Ny siwak dia tapa-kazo avy amin'ny hazo "Arak" na hazo hafa, ampiasaina hanadiovana ny vava sy ny nify, hanadio ny vava ary hanala ny fofona ratsy.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (51)