عن عائشة رضي الله عنها قالت: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«السِّوَاكُ مَطْهَرَةٌ لِلْفَمِ، مَرْضَاةٌ لِلرَّبِّ».

[صحيح] - [رواه النسائي وأحمد] - [مسند أحمد: 24203]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) ka nanao hoe:
" Ny SIAKY dia fanadiovana ny vava, ary fampifaliana an'ny Tompo Allah ".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Al-Nasàì sy Ahmad] - [Mosnad Ahmad - 24203]

Ny fanazavana

Milaza amintsika i Mpaminany (S.A.W) fa ny miborosy nify amin'ny hazo araky sy ny mitovy izany dia manadio ny vava amin'ny loto sy ny fofona ratsy. Ary izy io dia anisan’ny mahatonga ny fahafaham-pon’i Allah amin’ny mpanompo iray; satria misy ny fankatoavana an’I Allah sy ny famaliana ny didiny, ary ny fahadiovana izany no tena tian’i Allah ilay Tsitoha.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahasoavan'ny fiborosiana ny nify, sy ny famporisihana nataon'ny Mpaminany (S.A.W) ny vahoakany hampiasa izany im-betsaka.
  2. Ny tsara indrindra amin'ny fiborosina nify dia ny mampiasa ny hazo arak, ary fampiasana ny borosy nify sy ny fanadiovana dia afaka misolo azy.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (67)