+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«مَنْ كَذَبَ عَلَيَّ مُتَعَمِّدًا فَلْيَتَبَوَّأْ مَقْعَدَهُ مِنَ النَّارِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 110]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
"Izay mandainga ny amiko an-tsitrapo, dia efa nametraka ny toerany ao amin'ny Afobe".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Nilaza mazava tsara ny Mpaminany (S.A.W) fa izay minia mandainga ny aminy, amin'ny alàlan'ny teny na fihetsika dia hipetraka any amin'ny Afobe izy any ankoatra. Sazy noho ny lainga nataony ny amin'ny Mpaminany (S.A.W).

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Indoneziana Aigoria Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny mandainga ny amin'ny Mpaminany (S.A.W) fanahy iniana sy an-tsitrapo dia antony mampiditra amin'ny Afobe.
  2. Ny lainga atao ny amin'ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy mitovy amin'ny lainga atao amin'ny olon-kafa rehetra, noho ny faharatsiana lehibe aterak'izany eo amin'ny finoana sy ny eto an-tany.
  3. Fampitandremana amin'ny fampielezana hadith mialohan'ny fanamarinana sy famotopotorana ny fahamarinan'ny fifandraisany amin'ny Mpaminany (S.A.W).