+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قال:
جَاءَ نَاسٌ مِنْ أَصْحَابِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَسَأَلُوهُ: إِنَّا نَجِدُ فِي أَنْفُسِنَا مَا يَتَعَاظَمُ أَحَدُنَا أَنْ يَتَكَلَّمَ بِهِ، قَالَ: «وَقَدْ وَجَدْتُمُوهُ؟» قَالُوا: نَعَمْ، قَالَ: «ذَاكَ صَرِيحُ الْإِيمَانِ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 132]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.D), Niteny :
Nisy andian'Olona tamin'ny mpanaradia an'ny Mpaminany (S.W.A) tonga nanontany Azy ka nanao hoe : izahay dia mahatsapa zavatra mavesatra amin'ny Tenanay ny hiresaka izany, Niteny i Mpaminany (S.W.A) : " efa nahazo Anareo ve izany ? " Namaly izy ireo: Eny, Hoy Izy : " izany no fahamarinan'ny finoana ".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Tonga andiana vahoaka tamin'ireo Mpiaradian'ny Mpaminany (S.W.A) nanontany Azy momba ireo zavatra mavesatra izay tsapan'izy ireo amin'ny Tenany ka sarotra amin'izy ireo ny hanonona izany noho ny haratsiany. Niteny i Mpaminany (S.W.A) : izany zavatra mahazo Anareo izany dia fahamarinan'ny finoana ary fahatokisana feno izay manosika Anareo hanakana ny fanjakazakana ataon'ny Satana ao am-ponareo, ary ny tsy fankasitrahanareo ny teny ka nitazominareo tao Aminareo, Izany dia mifanohitra amin'ireo Olona izay efa nanjakazakan'ny Satana ka tsy hahitàna zavatra ahafan'izy ireo manakana izany intsony.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanazavana ny fahalemen’i Satana amin’ny Olona manam-pinoana, Satria tsy mahavita zavatra izy afa-tsy ny maka fanahy fotsiny.
  2. Tsy fisiany finoana sy fanekena ny fikorontanan-tsaina manenjika ny fanahy, Satria avy amin’i Satana avokoa izany.
  3. Tsy manisy ratsy ny Mpino ny bitsibitsikan’i Satana, Saingy tokony hangatam-pamonjena amin’i Tompo Allah manoloana ny fakampanahy izay ataony, ary mihataka avy hatrany amin'ny fitaoman-dratsy izay mandalo.
  4. Tsy tokony hangina manoloana an'ireo zavatra manahirana azy momba ny finoana ny Mpino Islamo iray, fa tokony manontany momba izany mandrakariva.