+ -

عَنْ زَيْدِ بْنِ خَالِدٍ الجُهَنِيِّ رضي الله عنه أَنَّهُ قَالَ:
صَلَّى لَنَا رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ صَلَاةَ الصُّبْحِ بِالْحُدَيْبِيَةِ عَلَى إِثْرِ سَمَاءٍ كَانَتْ مِنَ اللَّيْلَةِ، فَلَمَّا انْصَرَفَ أَقْبَلَ عَلَى النَّاسِ، فَقَالَ: «هَلْ تَدْرُونَ مَاذَا قَالَ رَبُّكُمْ؟» قَالُوا: اللهُ وَرَسُولُهُ أَعْلَمُ، قَالَ: «أَصْبَحَ مِنْ عِبَادِي مُؤْمِنٌ بِي وَكَافِرٌ، فَأَمَّا مَنْ قَالَ: مُطِرْنَا بِفَضْلِ اللهِ وَرَحْمَتِهِ، فَذَلِكَ مُؤْمِنٌ بِي وَكَافِرٌ بِالْكَوْكَبِ، وَأَمَّا مَنْ قَالَ: بِنَوْءِ كَذَا وَكَذَا، فَذَلِكَ كَافِرٌ بِي وَمُؤْمِنٌ بِالْكَوْكَبِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 846]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Zayd bin Khalid al-Johany (R.D), Niteny ka nanao hoe :
Nitarika Soalat Soubhy i Mpaminany (S.W.A) tao Hodaybiat taorian'ny filatsahan'ny Orana nandritry ny alina, rehefa tapitra izany dia nitodika tany amin'ny Olona Izy, ka dia Niteny hoe : " fantatrareo va inona no lazain'ny Tomponareo ? " Namaly Azy izy ireo ka nanao hoe : i Tompo Allah sy ny Irany ihany no mahalala, ka Niteny indray Izy ny hoe : " Misy amin'ireny Mpanompoko ireny tratra-maraina mino Ahy ary Mpikomy , Ka izay Niteny hoe : Nirotsaka amintsika ny Orana noho ny fahasoavan'i Tompo Allah sy ny indrafony, izany dia Mino Ahy ary tsy mikomy ny kintana, fa izay milaza hoe : Nohon'ny zavatra izany sy izany, ireny dia Mikomy Ahy ary mino ireny kintana ".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Nitarika vavaka maraina i Mpaminany (S.W.A) ny (Soalat) teo amin'ny hodaybiat - izy io dia tanàna ambanivohitra akaikin'ny Makka- taorian'ny Orana izay latsaka tamin'ny alina, Rehefa namarana ny vavaka izay nataony Izy, dia nitodika nanatrika ny Olona, avy eo nanontany azy ireo ka nanao hoe : Fantatrareo ve inona no lazain'ny Tomponareo ilay Avo Tsitoha ? Namaly izy ireo ny hoe : i Tompo Allah sy ny Irany ihany no mahalala sy mahafantatra, Niteny Izy ka nanao hoe : Nanambara mazava tsara i Tompo Allah fa mizarazara ny Olona eo am-pilatsahan'ny Orana : Misy ny mino an'i Tompo Allah ary ny sasany kosa tsy mino ka mikomy an'i Tompo Allah. Ka izay miteny hoe : Nahazo Orana izahay nohon'ny fahasoavan'i Tompo Allah sy ny famindrampony, ary napetrany ho an'i Tompo Allah irery ihany ny fahefana fandatsahana an'izany Orana izany; Dia izany tokoa no tena mino an'i Tompo Allah ilay Mpahary ary mandrindra ny fizotran'izao tontolo izao, ary tsy mino ny tonon'andro. Fa izay Niteny ny hoe : Nanorana ny Andro noho ny kintana izao sy izao; izany dia Mpikomy an'i Tompo Allah, ary mino ny tonon'andro, ka izany dia fikomina kely Satria nolazainy fa nohon'ireo kintana no nahalatsaka ny Orana; ary i Tompo Allah tsy nametraka izany ho antony lalàna sy lahatra. Fa izay mametraka ny filatsahan'ny Orana noho ny tranga miseho eto an-tany sy ny fietsefan'ny planeta amin'ny fiakarany sy ny fihidinany ka mino izy fa izany no manodina azy, ireny dia Mpikomy ary nanao fikomiana lehibe.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny mahatsara fitenenana hoe : " Motorinà bifadhou-lillahy wa rahamati-hy " nahazo Orana izahay nohon'ny fahasoavan'i Tompo Allah sy ny famindrampony, aorian'ny filatsan'ny Orana.
  2. Izay nametraka finoany amin'ny filatsahan'ny Orana sy ankoatr'izay amin'ny Planeta fahariana sy fampirisihana, izany dia Mikomy amin'ny fikomiana lehibe, ary raha izany no nametrahany antony Aminy fahalatsahany dia nikomy amin'ny fikomiana kely Satria izany dia antony tsy ara-pinoana ary tsy azo tsapahin-tànana.
  3. Ny fahasoavana dia anisany antony lehibe amin'ny fikomiana raha hikomy Ianao, ary mbola anisany antony lehibe ihany koa amin'ny finoana raha toa ka mahay misaotra sy mankasitraka Ianao.
  4. Fandrarana amin'ny fitenenana hoe : " latsaka Aminay ny Orana nohon'ny izao sy izao ", na dia fotoana aza no tiany holazaina; izany dia sakana hitarika amin'ny fanakambanana an'i Tompo Allah amin'ny hafa.
  5. Voadidy ny fampiankinana ny Fo amin'i Tompo Allah amin'ny fitadiavana ny fahasoavana sy fanalana ny olana.