+ -

عن ابن عباس رضي الله عنهما قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«من اقتبَسَ علْمًا مِنَ النُّجُومِ اقْتبَسَ شُعبَة مِن السِّحرِ، زادَ ما زادَ».

[صحيح] - [رواه أبو داود وابن ماجه وأحمد] - [سنن أبي داود: 3905]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Izay naka fahalalana tamin'ny kintana dia efa mahazo ampahany tamin'ny ody, ka raha hampitomboiny izany dia mitombo ny filalaovany ody."

[Mari-pototra] - [Notantarain'I Abo Daòd, Ibn Màjah ary Ahmad]

Ny fanazavana

Manazava i Mpaminany (S.A.W) fa izay mianatra sy maka fahalalan'ny kintana sy ny antokon-kintana ary fanaaporofona ny fihetsiny, ny fidirana sy ny fivoahana amin'ny zava-mitranga eto an-tany, toy ny fahafatesan'olona sy ny fahavelomany na ny aretiny, sy ny zavatra hafa mety hitranga amin’ny hoavy, dia nianatra ampahany tamin’ny fanaovana ody, ary arakaraka ny ahazoan’ny olona izany fahalalana no hidirany lalina amin'ny filalaovana ody.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Voarara ny fanandroana, izay milaza ny hoavy mifototra amin'ny toetry ny kintana. Satria izany dia filazana mivantana momba ny fahalalana ny tsy hita maso.
  2. Ny fanandroana izay voarara dia anisan'ny karazana fanaovana ody mifanohitra amin'ny finoana an'i Allah fa tsy toy ny fijerena kintana hamaritana ny làlana na ny fitodihana rehefa hivavaka, na ny fahatongavan'ny vanim-potoana sy ny volana izay azo atao.
  3. Arakaraka ny ianarany ny fanandroana no hidirana bebe kokoa any amin'ny sampana sikidy.
  4. Ny kintana dia mitondra vokatsoa anakitelo izay noresahin’Allah ao amin’ny bokiny : fandravahana sy fanaingona ny lanitra, famantarana ny làlana aleha, ary fitoram-bato ireo devoly.
  5. .
Fanampiny