+ -

عن جابرٍ رضي الله عنه قال: سمعت النبي صلى الله عليه وسلم يقول:
«إِنَّ بَيْنَ الرَّجُلِ وَبَيْنَ الشِّرْكِ وَالْكُفْرِ تَرْكَ الصَّلَاةِ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 82]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Jabir (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe :
"Ny elanelana misy eo amin'ny olona iray sy ny fanompoan-tsampy ary ny tsy finoana dia ny tsy fanaovana soalat."

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 82]

Ny fanazavana

Nampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny amin'ny tsy fanatanterahana ny vavaka tsy maintsy atao, ary nilaza izy fa eo anelanelan'ny olona iray sy ny filatsahana ao amin'ny fanompoan-tsampy sy ny tsy finoana dia ny tsy fanaovana ny soalat tsy maintsy atao, satria ny soalat no andry faharoan'ny finoana silamo, ary lehibe ny momba azy amin'ny finoana silamo. Ka izay tsy manatanteraka azy noho izy mandà ny didy manery amin'ny fanaovana izany, dia mpikomy araka ny fiombonan-kevitry ny mpino silamo rehetra, ary raha mandao izany tanteraka noho ny tsy firaharahina sy ny hakamoana izy dia voasokajy ho tsy mpino. Voalaza fa niombon-kevitra tamin'izany ireo mpanaradia an'i Mpaminany (S.A.W). Fa raha tsy manao kosa indraindray ary indraindra manao, dia iharan'izany fandrahonana mafy izany izy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Indoneziana Aigoria Bengaly Torkia Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Italianina Oromianina Kanadianina الولوف Azerianina Okranianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha zava-dehibe ny soalat sy ny fanatanterahana azy tsy akijanoana, satria io no maha samihafa ny tsy finoana sy ny finoana.
  2. Fampitandremana mafy momba ny tsy fanatanterahana soalat sy ny fanaovana tsirambina azy.
Fanampiny