+ -

عن عمران بن حصين رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«‌لَيْسَ ‌مِنَّا ‌مَنْ ‌تَطَيَّرَ أَوْ تُطُيِّرَ لَهُ، أَوْ تَكَهَّنَ أَوْ تُكُهِّنَ لَهُ، أَوْ سَحَرَ أَوْ سُحِرَ لَهُ، وَمَنْ عَقَدَ عُقْدَةً، وَمَنْ أَتَى كَاهِنًا فَصَدَّقَهُ بِمَا يَقُولُ فَقَدْ كَفَرَ بِمَا أُنْزِلَ عَلَى مُحَمَّدٍ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ».

[حسن] - [رواه البزار] - [مسند البزار: 3578]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Houssain (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) :
“Tsy anisany miaraka aminay iza manao sikidy, na nampanao sikidy ho azy, na izay nanombantombana tamin'ny fizahana na nanao izany ho azy, izay nanao ody na nampanao izany ho azy, ary izay nanao fatotra ary nandeha amin'ny mpamantatra ny hoavy ka mino izay lazainy, dia efa nikomy ny zavatra nampidinina tamin'i Mouhammad (S.A.W)".

[Tsara] - [Notantarain'i Al-Bazzàr]

Ny fanazavana

Nampitandrina ireo vahoakany mpanao zavatra hafahafa i Mpaminany (S.A.W) tamin'ny teniny manao hoe : "Tsy anisany miaraka aminay", Ireto avy izany :
Ny voalohany : “Izay nisikidy na izay nampanao sikidy ho azy.” Ny fiaviany dia ny hoe : Mamoaka ny vorona rehefa manao hetsika toy ny dia na varotra, na zavatra hafa. Ka raha manidina miankavanana ilay vorona dia mandeha manao ny diany sy izay tiany izy, ary raha manidina miankavia izany dia kivy ka mijanona tsy manao izany. Tsy azony atao izany na koa maniraka olona hanao izany.Ary tafiditra ao anatin’izany ny finoam-poana momba ny zavatra rehetra, toy ny finoan-dratsy amin'ny zavatra heno sy hita, amin'ireo vorona na biby na ireny mampino fahatany na ireny mampiasa isa na andro na ankoatr'izany.
Ny faharoa : “Izay maminany, na manontany faminaniana ho azy.” Ary izay milaza fa mahalala ny tsy hita maso amin’ny alàlan’ny fampiasana ny kintana sy ny zavatra hafa, na manatona ireo milaza fa mahalala ny tsy hita maso, toy ny mpisikidy sy ny toy izany, ka mino izay lazainy tamin’ny filazany fa mahalala ny miafina dia efa nikomy izay nampidinina tamin’i Mouhammad (S.A.W).
Ny fahatelo: “Manao ody na mampiasa ody ho azy” : Izay manao ody ny tenany, na maniraka olona hanao ody ho azy; mba hahazoany tombony na hanimba ny fiainanolona amin'izany, na mamatotra fatotra amin'ny kofehy ary manao ody amin'ny alàlan'ny famakina ireo fiarovan-tena voarara sy ny fitsofana azy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Vodidy ny fitokisana an'ny Tompo Allah ary finoana ny lahatr'i Allah sy ny fandaharany, ary fandrarana amin'ny finoanoam-poana sy ny finoana ratsy, ny sikidy, famosavina ary ny fanontaniana azy ireo.
  2. Filazana ny fahafantarana ny zava-miafina dia fanompoan-tsampy izay mifanohitra sy mamotika ny fanokanana an'i Allah.
  3. Voarara ny mino ireo mpisikidy sy manatona azy, ary tafiditra amin'izany ny famakiana ny tànana sy ny ireny vintana ary ny tonin'andro, eny fa na dia mba hahazoana fanazavana fotsiny aza.
Fanampiny