+ -

عَنْ عَائِشَةَ رضي الله عنها قَالَتْ:
قُلْتُ: يَا رَسُولَ اللهِ، ابْنُ جُدْعَانَ كَانَ فِي الْجَاهِلِيَّةِ يَصِلُ الرَّحِمَ، وَيُطْعِمُ الْمِسْكِينَ، فَهَلْ ذَاكَ نَافِعُهُ؟ قَالَ: «لَا يَنْفَعُهُ، إِنَّهُ لَمْ يَقُلْ يَوْمًا: رَبِّ اغْفِرْ لِي خَطِيئَتِي يَوْمَ الدِّينِ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 214]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.D), Niteny ka nanao hoe :
Izaho Niteny ka nanao hoe : O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, Ibn Jad'àny tamin'ny vanim-potoanan'ny habadoana dia manohy ny rom-pihavanana, ary mampisakafo ireo mahantra, ka nahasoa azy ve izany ? dia Hoy i Mpaminany (S.W.A) Namaly Azy ka nanao hoe : “ Tsy mahasoa Azy akory izany, izy tsy Niteny mihitsy na dia indray Andro fa hoe : Tompoko, mamela ny fahotako amin’ny Andro fitsarana”.

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Nilaza i Mpaminany (S.W.A) momba an'i Abdollahy ibn Jad'àny, isan'ireo Olon-dehibe tamin'ireo foko koraishy talohan'ny finoana Islam. Isan'ireo asa soa nataony dia ny : manohy ny fihavanana amin'ny fianakaviana ary manao soa amin'izy ireo ihany koa, ary ankoatr'izay dia ireo asa soa izay namporisian'ny finoana Islam, Saingy ireo asa soa ireo mahasoa Azy amin'ny Andro farany, noho ny tsy finoany an'i Tompo Allah, ary Izy dia tsy mbola Niteny indray Andro hoe : Tompo o ! Mamela ny heloko amin'ny Andro fitsarana.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanazavana ny fahasoavan'ny finoana, ary izany tokoa dia tafiditra ho anisan'ny fepetra amin'izay ankatoavina ny asa.
  2. Fanazavana ny faharatsian'ny fikomiana ary izany tokoa dia antony manimba an'ireo asa soa.
  3. Ireo mpikomy tsy mino dia tsy hahazo tombony amin’ny asa nataony izy ireo any ankoatra Satria tsy mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany izy ireo.
  4. Ny asan'ny Olona iray izay mbola hita fa mpikomy dia voarakitra an-tsoratra ho Azy, fa raha toa ka mivadika ka lasa ho Mpino Islamo indray Izy dia lasa hahazo valisoa ho azy ireo indray Izy.