Ireo sokajy amin'ny sampantsampany

Lisitr'ireo hadith

Hitanao, raha toa ka manatanteraka an'ireo fanompoam-pivavahana Soalat izay voadidy Amiko Aho, ary manatanteraka ihany koa ny fifadian-kanina amin'ny volana Ramadany, ary nanaja tsara ny ara-dalàna izany hoe : (ireo zavatra HALAL) sy nisitaka avokoa an'ireo zava-boarara izany hoe : (ireo zavatra HARAM), ka tsy manampy amin'izany intsony, Moa ve ahazo an-jara hiditra ao amin'ny Paradisa ny Tenako ?, Namaly Azy i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : " Eny ", Nilaza izy no sady nanao fianiana amin'ny Tompo Allah fa hoe : tena marina Aho fa tsy hanampy mihoatra izany intsony
عربي Anglisy Ordo
Ny fidiovana dia tafiditra ho anisany an-tsasakin'ny finoana; ary ny fitenenana hoe : " Alehamdolillah " (Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana ho an'i Tompo Allah) dia mameno ny mizana; vato fan-dajana ny fitenenana hoe : " Soubehànallwahi wal-hamdolillàhy " (Midera sy mankasitraka an'i Tompo Allah) dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany izany
عربي Anglisy Ordo
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) momba ireo Ansar : “Tsy azo lazaina afa-tsy mpino ny mitia azy ireo, ary tsy azo lazaina afa-tsy mpihatsaravelatsihy ny mankahalana azy ireo, izay tia azy ireo dia ho tia azy Allah ary izay mankahala azy dia ho halan’I Allah koa”
عربي Anglisy Ordo
fantatrareo va inona no lazain'ny Tomponareo ? " Namaly Azy izy ireo ka nanao hoe : i Tompo Allah sy ny Irany ihany no mahalala, ka Niteny indray Izy ny hoe : " Misy amin'ireny Mpanompoko ireny tratra-maraina mino Ahy ary Mpikomy
عربي Anglisy Ordo
“ Hitoetra eo amin’ny dobo Aho mandra-pahitako izay tonga Aminareo hamaly Ahy, ary hisy andian'Olona ho sakanana amin'izany, ka Hiteny Aho amin'izany fotoana izany ny hoe : Tompo ô, avy Amiko sy vahoakako Iny
عربي Anglisy Ordo