+ -

عَنِ الْبَرَاءِ رضي الله عنه:
عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ أَنَّهُ قَالَ فِي الْأَنْصَارِ: «لَا يُحِبُّهُمْ إِلَّا مُؤْمِنٌ، وَلَا يُبْغِضُهُمْ إِلَّا مُنَافِقٌ، مَنْ أَحَبَّهُمْ أَحَبَّهُ اللهُ وَمَنْ أَبْغَضَهُمْ أَبْغَضَهُ اللهُ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 75]
المزيــد ...

Tatitrao azo azo tamin'i Al-Baraa'i (R.A) :
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) momba ireo Ansar : “Tsy azo lazaina afa-tsy mpino ny mitia azy ireo, ary tsy azo lazaina afa-tsy mpihatsaravelatsihy ny mankahalana azy ireo, izay tia azy ireo dia ho tia azy Allah ary izay mankahala azy dia ho halan’I Allah koa”.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 75]

Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa mariky ny finoana tonga lafatra ny fitiavana ny Ansar mponin'i Medina. Izany dia noho izy ireo ny nialohalalana amin'ny fanohanana ny finoana silamo sy ny Mpaminany, ary ny fiezahany hiaro ny mpino silamo, sy ny fanomezana ny volany sy ny ainy ho an'I Allah, ary ny fankahalana azy ireo dia mariky ny fihatsarambelatsihy. Avy eo nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa izay tia ny Ansar dia ho tia azy Allah, ary izay mankahala azy ireo dia mankahala azy Allah.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Amin'izany dia ahitana valisoa lehibe ho an’ny Ansar, satria mariky ny finoana sy fanafahana amin’ny fihatsarambelatsihy ny fitiavana azy.
  2. Ny fitiavana sakaizan’I Allah sy ny fanohanana azy ireo dia antony iray itiavan’I Allah ny mpanompo.
  3. Toeram-boninahitra ananan'ireo nanaraka ny finoana silamo tany am-piandohana.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Tailandia Alimanina Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Oromianina Kanadianina الولوف Azerianina Okranianina الجورجية المقدونية
Fanehona ny dikanteny
Fanampiny