+ -

عَنْ يحيى بنِ عُمَارةَ المَازِنِيِّ قَالَ:
شَهِدْتُ عَمْرَو بْنَ أَبِي حَسَنٍ سَأَلَ عَبْدَ اللَّهِ بْنَ زَيْدٍ، عَنْ وُضُوءِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فَدَعَا بِتَوْرٍ مِنْ مَاءٍ، فَتَوَضَّأَ لَهُمْ وُضُوءَ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَأَكْفَأَ عَلَى يَدِهِ مِنَ التَّوْرِ، فَغَسَلَ يَدَيْهِ ثَلاَثًا، ثُمَّ أَدْخَلَ يَدَهُ فِي التَّوْرِ، فَمَضْمَضَ وَاسْتَنْشَقَ وَاسْتَنْثَرَ، ثَلاَثَ غَرَفَاتٍ، ثُمَّ أَدْخَلَ يَدَهُ فَغَسَلَ وَجْهَهُ ثَلاَثًا، ثُمَّ غَسَلَ يَدَيْهِ مَرَّتَيْنِ إِلَى المِرْفَقَيْنِ، ثُمَّ أَدْخَلَ يَدَهُ فَمَسَحَ رَأْسَهُ، فَأَقْبَلَ بِهِمَا وَأَدْبَرَ مَرَّةً وَاحِدَةً، ثُمَّ غَسَلَ رِجْلَيْهِ إِلَى الكَعْبَيْنِ.

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 186]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Yahya bin Amara Al-Mazini nilaza manao hoe :
Nahita an'i Amr bin Abi Hassan aho nanontany an'i Abdollah bin Zaid ny amin'ny ozoò-n'ny Mpaminany (S.A.W), dia nangataka koveta feno rano izy, ka dia nanao ozoò ho azy ireo tahaka ny an'ny Mpaminany (S.A.W). Nalainy teo aminy ilay koveta dia nanasa ny tànany in-telo izy, dia natsofony tao anatin'ny koveta ny tànany naka rano ka nihotsam-bava sy nanadio ny orony ary namoaka ny rano avy ao anatiny, tamin'ny rano telo raon-tanana kely, avy eo dia nampidiriny tao ny tànany ary nanasa ny tavany in-telo, avy eo nanasa tànana in-droa hatreo amin’ny kiho, dia nampidiriny tao ny tànany ka nosafoiny ny lohany, teo aloha sy aoriana indray mandeha, avy eo izy nanasa ny tongony hatreo amin’ny kitrokeliny.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Nanazava ny fomba nanatanterahan'ny Mpaminany (S.A.W) ny ozoò araka ny tokony ho izy i Abdollah bin Zaid (R.A), Nangataka lovia kely misy rano izy. Teo am-panombohana izy dia anasa ny felatànany, ary avy eo dia natongilany kely lovia ka nandraraka rano, dia nanasa azy in-telo teo ivelan’ny lovia. Dia natsofony tao anatin’ilay lovia ny tànany, ka nandraotra rano kely in-telo tamin’izany izy, nanotsam-bava sy nampiditra rano amin'ny orony sy namoaka izany avy eo. Dia naka rano kely tao amin'ny lovia izy ka nanasa ny tarehiny in-telo, Avy eo naka rano kely tao amin'ny lovia dia nanasa ny tànany roa hatreo amin'ny kiho in-droa miatona. Dia nataony tao anaty lovia ny tànany dia nisafo ny lohany tamin’ny tànany roa izy, nanomboka teo anoloan’ny lohany ka tonga tany amin'ny farany, dia naveriny izany mandra-pahatongany tany amin’ilay toerana niaingany. Dia nanasa ny tongony roa izy niaraka amin'ny kitrokeliny.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fitondran-tenan'ny mpampianatra no fomba akaiky indrindra amin'ny fahazoana sy fampiraiketana ny fahalalana, ary ao anatin'izany ny fampianarana amin'ny fampiharana.
  2. Azo atao ny mamerina in-telo ny fanasana ny faritra sasany raha in-droa kosa ny amin’ny faritra hafa, fa ny indray mandeha kosa dia maintsy kosa atao.
  3. Tsy maintsy takina ny mandahatra ny fanadiovana ireo rantsana araka ny voalaza ao amin'ny hadith.
  4. Faritry ny tarehiny dia miainga avy amin`ny fiandohan'ny volo mahazatra hatramin'ny volom-bava sy saoka ny halavany, ary hatrany amin'ny sofina mankany amin'ny ny sofina ny sakany.