+ -

عَنْ عَمَّارِ بنِ ياسِرٍ رضي الله عنه قال:
بَعَثَنِي رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فِي حَاجَةٍ، فَأَجْنَبْتُ فَلَمْ أَجِدِ الْمَاءَ، فَتَمَرَّغْتُ فِي الصَّعِيدِ كَمَا تَمَرَّغُ الدَّابَّةُ ثُمَّ أَتَيْتُ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَذَكَرْتُ ذَلِكَ لَهُ فَقَالَ: «إِنَّمَا كَانَ يَكْفِيكَ أَنْ تَقُولَ بِيَدَيْكَ هَكَذَا» ثُمَّ ضَرَبَ بِيَدَيْهِ الْأَرْضَ ضَرْبَةً وَاحِدَةً، ثُمَّ مَسَحَ الشِّمَالَ عَلَى الْيَمِينِ، وَظَاهِرَ كَفَّيْهِ وَوَجْهَهُ.

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 368]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Ammar Ibn Yassir (R.A) niteny :
Naniraka ahy ny Mpaminany (S.A.W) tain'ny zavatra iray dia tratran'ny fahalotona lehibe aho nefa tsy nahita rano, ka nihosikosina tamin'ny vovoka aho toy ny biby mihosinkosina, avy eo tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) ka nolazaiko taminy izany, ka hoy izy : “Ampy ho anao raha niteny tamin’ny tànanao roa toy izao sy izao.” avy eo izy dia nikapoka ny tany tamin'ny tanany roa indray mandeha, avy eo nisafo ny tànana havia amin'ny havanana, ary ny ivelan'ny felatànany roa sy ny tarehiny.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 368]

Ny fanazavana

Naniraka an'i Ammar bin Yasser ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny dia iray hamita ampahany amin'ireo zavatra momba azy, saingy tratran'ny fahalotoana lehibe izy tamin'ny alàlan'ny firaisana ara-nofo na fivoahan'ny tsirinaina noho ny faniriana, ka tsy nahita rano handroana izy. Tsy nahafantatra ny lalàna momba ny Tayammom amin'ny fahalotoana lehibe izy tamin'izany, fa ny fantany dia ny lalàn'ny tayammoum eo amin'ny loto madinika ihany. Noho izany dia niezaka mafy izy ary nihevitra fa toy ny fisafona ny faritra sasany sasana eo amin'ny vatana rehefa hanao ozoò noho ny loto, dia noheveriny fa fisafona ny vatana rehetra amin'ny alalan'ny tayammom ny amin'ny loto lehibe, ho fampitahaina amin’ny rano, ka nitsombadimbadika tamin'ny vovoka izy mandra-pahafeno ny vatany manontolo dia avy eo vao nanao soalat. Rehefa tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) izy, dia nitantara izany mba hahaizany raha ny marina ny nataony na tsia? Ka nanazava taminy ny Mpaminany (S.A.W) ny fomba fidiovana amin’ireo loto kely roa toy ny pipy sy ny loto lehibe toy ny fivoahan'ny tsirinaina: izany dia ny fikapohany ny tany amin’ny tànany roa indray mandeha, avy eo fafana amin'ny tànana havia ny ankavanana, sy ny vohotanana roa ary ny tarehy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Voadidy mitady ny rano mialohan'ny hanaovana Tayammom.
  2. Ny maha ara-dalàna ny tayammom ho an'ny olona tratran'ny fahalotoa lehibe ka tsy nahita rano.
  3. Ny fanaovana tayammom amin'ny loto lehibe dia mitovy amin'ny tayammom amin'ny loto kely.
Fanampiny