عَنْ أَبِي سَعِيدٍ الْخُدْرِيِّ وَعَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنهما عَنِ النَّبِيِّ صلى الله عليه وسلم قَالَ:
«مَا يُصِيبُ الْمُسْلِمَ مِنْ نَصَبٍ وَلَا وَصَبٍ وَلَا هَمٍّ وَلَا حُزْنٍ وَلَا أَذًى وَلَا غَمٍّ حَتَّى الشَّوْكَةِ يُشَاكُهَا إِلَّا كَفَّرَ اللهُ بِهَا مِنْ خَطَايَاهُ».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 5641]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abi Said Al-Khodri (R.A) sy i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tsy misy harerahana, na aretina, na adisaina, na halahelo, na haratsiana, na fahoriana mafy mahazo ny mpino silamo, eny na dia ny tsindrona tsilo mahazo azy aza, afa-tsy hoe hamafan'I Allah ampahany amin'ny fahotany izany."
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 5641]
Manazava ny irak'I Allah (S.A.W) fa izay manjo ny mpino amin'ny aretina sy ny asa loha, alahelo, fahasahiranana, fahoriana, fijalina, tahotra, ary hanoanana - eny na dia ny tsilo nahavoa ka mampangotsika azy - izany dia ho famafana ny fahotany sy famelana ny fahadisoany.