عَنْ أَبِي سَعِيدٍ الْخُدْرِيِّ وَعَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنهما عَنِ النَّبِيِّ صلى الله عليه وسلم قَالَ:
«مَا يُصِيبُ الْمُسْلِمَ مِنْ نَصَبٍ وَلَا وَصَبٍ وَلَا هَمٍّ وَلَا حُزْنٍ وَلَا أَذًى وَلَا غَمٍّ حَتَّى الشَّوْكَةِ يُشَاكُهَا إِلَّا كَفَّرَ اللهُ بِهَا مِنْ خَطَايَاهُ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 5641]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abi Said Al-Khodri (R.A) sy i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tsy misy harerahana, na aretina, na adisaina, na halahelo, na haratsiana, na fahoriana mafy mahazo ny mpino silamo, eny na dia ny tsindrona tsilo mahazo azy aza, afa-tsy hoe hamafan'I Allah ampahany amin'ny fahotany izany."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 5641]

Ny fanazavana

Manazava ny irak'i Allah (S.A.W) fa izay manjo ny mpino amin'ny aretina sy ny asa loha, alahelo, fahasahiranana, fahoriana, fijalina, tahotra, ary hanoanana - eny na dia ny tsilo nahavoa ka mampangotsika azy - izany dia ho famafana ny fahotany sy famelana ny fahadisoany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanazavana momba ny fahasoavan’Allah amin’ireo mpino mpanompony sy ny famindram-pony amin’izy ireo amin’ny famelana ny fahotana amin’ny alalan'ireo loza faran’izay kely manjo azy ireo.
  2. Ny mpino silamo dia tokony hanantena valisoa avy amin'Allah amin'izay mahazo azy, ary hanam-paharetana amin'ny zavatra kely sy lehibe rehetra, mba hahazoany fisondrotana eo amin'ny toerany sy ny famafana ny ota.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (56)