عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«مَنْ نَسِيَ وَهُوَ صَائِمٌ، فَأَكَلَ أَوْ شَرِبَ، فَلْيُتِمَّ صَوْمَهُ، فَإِنَّمَا أَطْعَمَهُ اللهُ وَسَقَاهُ».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 1155]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
“Izay nanadino hoe izy mifehy ka tafihinana sy tafisotro, dia aoka izy hanohy ny fifehezany satria i Allah no nampihinana sy nampisotro azy”.
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 1155]
Nanambara ny Mpaminany (S.A.W) fa izay nihinana na nisotro amin'ny fanadinoana eo am-panaovana ny fifehezana tsy maintsy atao na an-tsitrapo, dia aoka izy hanohy ny fifehezana ary tsy hanapaka izany. Satria tsy nikasa ny hanapaka ny fifehezana izy, fa io dia làlana nitondran’I Allah azy ka nampisakafoiny sy nampisotroiny.