عَنْ عَائِشَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهَا أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«تَحَرَّوْا لَيْلَةَ القَدْرِ فِي الوِتْرِ مِنَ العَشْرِ الأَوَاخِرِ مِنْ رَمَضَانَ».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 2017]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tadiavo ny Laylat al-Qadr amin'ny alina isa tsy mivaky (impaire) amin'ny folo andro farany amin'ny Ramadany."
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 2017]
Namporisika i Mpaminany (S.A.W) mba hazoto amin'ny fikatsahana sy ny famotopotorana ary ny fitadiavana ny Laylat al-Qadri amin'ny fanaovana asa soa maro aminny alin'ny Ramadany isan-taona, izy io dia ny : ny fahiraika amby roapolo, ny fahatelo amby roapolo, ny fahadimy amby roapolo, ny fahafito amby roapolo ary ny fahasivy amby roapolo.