عَنْ عَبْدَ اللَّهِ بْنِ عَمْرِو بْنِ العَاصِ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُمَا، قَالَ: قَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«إِنَّكَ لَتَصُومُ الدَّهْرَ، وَتَقُومُ اللَّيْلَ؟»، فَقُلْتُ: نَعَمْ، قَالَ: «إِنَّكَ إِذَا فَعَلْتَ ذَلِكَ هَجَمَتْ لَهُ العَيْنُ، وَنَفِهَتْ لَهُ النَّفْسُ، لاَ صَامَ مَنْ صَامَ الدَّهْرَ، صَوْمُ ثَلاَثَةِ أَيَّامٍ صَوْمُ الدَّهْرِ كُلِّهِ»، قُلْتُ: فَإِنِّي أُطِيقُ أَكْثَرَ مِنْ ذَلِكَ، قَالَ: «فَصُمْ صَوْمَ دَاوُدَ عَلَيْهِ السَّلاَمُ، كَانَ يَصُومُ يَوْمًا وَيُفْطِرُ يَوْمًا، وَلاَ يَفِرُّ إِذَا لاَقَى».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 1979]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Amro Ibn Al-Aasi (R.A), Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe :
“Mifady hanina foana ianao ary mifoha mivavaka mandritra ny alina?” Hoy aho hoe : "Eny". Dia niteny izy : “Raha manao izany ianao, dia hamely anao ny maso ratsy ary ho marefo ny vatana", tsy misy fifehezana ho an'izay mifehy mandavan-taona, fa ny fifehezana telo andro dia mitovy amin’ny fifadian-kanina mandritra ny androm-piainany", Hoy aho : Izaho mahavita manao mihoatra izany, dia namaly izy hoe : "Mifeheza tahaka natoan'i Daod (A.S), satria izy nifehy indray andro ary mamaha indray andro, ary tsy mandositra raha sendra izany".
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 1979]
Henon'ny Mpaminany (S.A.W) fa i Abdollah bin Amr (R.A) nifehy mandritry ny iray taona ka tsy mamaha mihitsy, ary mivavaka isaky ny alina ka tsy matory mihitsy, dia norarany tamin'izany izy ka nolazainy taminy hoe : Mifeheza dia mamaha, ary mivavaha amin'ny alina ary matoria ihany koa. Nandrara azy tsy hanohy ny fifadian-kanina sy ny fivavahana mandritra ny alina i Mpaminany (S.A.W), ary hoy izy taminy : Raha manao izany ianao, dia harefo ny masonao ary ho saro-piaro ianao ka ho reraka sy ho marefo ny fanahinao. Izay mifady hanina tsy manaraka ny Sonnah dia tsy hahazo valisoan'ny fifadian-kanina noho ny fandrarana, ary tsy nitsahatra ny fifadian-kanina satria nifady hanina foana. Dia nanoro làlana azy mba hifady hanina telo andro isam-bolana, fa izany no fifadian-kanina isan-taona. Satria ny andro iray dia hahazo valisoan'ny folo andro, ary izany no kely indrindra amin'ny fampitomboana ny asa soa. Hoy i Abdollah : Afaka manao mihoatra noho izany aho. Hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : Raha izany dia mifeheza tahaky ny fifehezan'i Daod (A.S), satria izy io no fifehezana tsara indrindra, Satria izy mifehy indray andro ary mamaha indray andro, ary tsy mandositra rehefa mifanena amin'ny fahavalo; Satria tsy nampahalemy ny vatany ny fomba nataony tamin'ny fifadian-kanina.