عَنْ عُثْمَانَ بْنِ أَبِي الْعَاصِ الثَّقَفِيِّ رضي الله عنه أَنَّهُ شَكَا إِلَى رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ وَجَعًا يَجِدُهُ فِي جَسَدِهِ مُنْذُ أَسْلَمَ، فَقَالَ لَهُ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«ضَعْ يَدَكَ عَلَى الَّذِي تَأَلَّمَ مِنْ جَسَدِكَ، وَقُلْ بِاسْمِ اللهِ ثَلَاثًا، وَقُلْ سَبْعَ مَرَّاتٍ أَعُوذُ بِاللهِ وَقُدْرَتِهِ مِنْ شَرِّ مَا أَجِدُ وَأُحَاذِرُ».
[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2202]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Othman bin Abi Al-Aas Al-Thaqafi (R.A) izay nitaraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) momba ilay zavatra mankarary azy teo amin'ny vatany nanomboka ny fotoana nidirany tamin'ny finoana Silamo dia niteny taminy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Apetraho amin'ny toerana marary tamin'ny vatanao ny tananao, ary lazao in-telo ny hoe : Amin'ny anaran'I Allah, ary lazao impito ny hoe : Mangataka fiarovana Aminao aho ry tompo Allah sy ny fahefanao amin'ny zavatra henoko marary sy hitandremako".
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2202]
I Othman bin Abi Al-Aas (R.A) dia voan'ny aretina saika nahafaty azy, ka tonga namangy azy i Mpaminany (S.A.W), ary nampianatra azy Doan izay hanesoran'allah aminy ilay aretina. Izany dia fametrahana ny tànany eo amin'ny toerana itarainany, ka miteny manao hoe : (Bismillahi - Amin'ny anaran'Allah) in-telo, avy eo miteny impito hoe : (Mitady fiarovana aho), mitady fialofana, mitady firovana, Mitady fahadiovana aho (amin'Allah sy ny heriny amin'ny faharatsian'ny zavatra mahazo ahy) amin'ny fanaintainana amin'izao fotoana izao, (ary mitandrina aho) amin'izay hitranga amin'ny ho avy amin'ny alahelo sy ny tahotra, sao hitohy ity aretina ity ary hiparitaka manerana ny vatana.