عن عقبة بن عامر رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«أَحَقُّ الشُّرُوطِ أَنْ تُوفُوا بِهِ مَا اسْتَحْلَلْتُمْ بِهِ الْفُرُوجَ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 2721]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Ibn Aamir (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny fepetra tokony ho tanterahana indrindra dia izay fepetra naha-ara-dalàna fahafinaretana".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 2721]

Ny fanazavana

Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny fepetra voalohany takina ny fanatanterahana azy dia ilay maha-ara-dalàna ny fakana fafinaretana ara-nofo amin'ny vehivavy, ary izany dia fepetra azo ekena izay angatahan'ny vehivavy eo amin'ny fifanekena amin'ny fanambadiana.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsy maintsy tanterahina ny fepetra napetraky ny mpivady iray, afa-tsy ny fepetra mandrara ny zavatra azo atao na manome alàlana ny zavatra voarara.
  2. Ny fanatanterana ireo fepetran'ny fifamatoram-panambadiana dia fepetra tena tokony ho tanterahina noho ny hafa; Satria izany no ahafahana maka fahafinaretana sy ny firaisana ara-nofo.
  3. Haleben'ny fanambadiana eo amin'ny finoana Islam, Satria izany indrindra no nanantitrantitra ny fahatanterahan'ny fepetra ao aminy.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (63)