+ -

عَنِ النُّعْمَانِ بْنِ بَشِيرٍ رَضيَ اللهُ عنهُما:
أَنَّ أُمَّهُ بِنْتَ رَوَاحَةَ سَأَلَتْ أَبَاهُ بَعْضَ الْمَوْهِبَةِ مِنْ مَالِهِ لِابْنِهَا، فَالْتَوَى بِهَا سَنَةً ثُمَّ بَدَا لَهُ، فَقَالَتْ: لَا أَرْضَى حَتَّى تُشْهِدَ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ عَلَى مَا وَهَبْتَ لِابْنِي، فَأَخَذَ أَبِي بِيَدِي وَأَنَا يَوْمَئِذٍ غُلَامٌ، فَأَتَى رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَقَالَ: يَا رَسُولَ اللهِ، إِنَّ أُمَّ هَذَا بِنْتَ رَوَاحَةَ أَعْجَبَهَا أَنْ أُشْهِدَكَ عَلَى الَّذِي وَهَبْتُ لِابْنِهَا، فَقَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «يَا بَشِيرُ، أَلَكَ وَلَدٌ سِوَى هَذَا؟» قَالَ: نَعَمْ، فَقَالَ: «أَكُلَّهُمْ وَهَبْتَ لَهُ مِثْلَ هَذَا؟» قَالَ: لَا، قَالَ: «فَلَا تُشْهِدْنِي إِذن، فَإِنِّي لَا أَشْهَدُ عَلَى جَوْرٍ»، ولِمُسْلِمٍ: «فَأَشْهِدْ عَلَى هَذَا غَيْرِي».

[صحيح] - [متفق عليه، وله ألفاظ عديدة] - [صحيح مسلم: 1623]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Noman Ibn Bachir (R.A) :
Ny reniny, zanak'i Rawaha nangataka ampahan-karena tamin'ny rainy ho an-janany, ka notehiriziny nandritra ny herintaona izany ary nasehony azy, dia hoy izy : Tsy ekeko izany, Mandra-pijoroanao ho vavolombelona amin’ny irak’Allah (S.A.W), Ka noraisin’ny raiko ny tànako fony aho mbola zaza tamin’izany fotoana izany, dia tonga tany amin’ny irak’Allah ka niteny manao hoe : Ry irak’Allah, ny renin’ity dia zanakavavin’i Rawaha, Tiany ny hijoroako vavolombelonna amin'izay nomeko ny zanany, ka hoy ny irak’Allah manao hoe : “Ry Bashir, manan-janaka hafa ankoatr’ity ve ianao?” Hoy izy : Eny, avy eo dia hoy izy : “Nomenao zavatra toy izao ve izy ireo?” Hoy izy : Tsia, hoy i Mpaminany (S.A.W) : "Aza avela hijoro vavolombelona amin'izany aho, satria tsy mijoro vavolombelona amin'ny tsy rariny aho", ary amin'ny fitantaran'ny Moslim : "Dia ampijorory vavolombelona amin'ny olona ankoatra ahy".

[Mari-pototra] - - [Sahìh Moslim - 1623]

Ny fanazavana

Nitatitra i Al-Noman bin Bashir (R.A) fa i Amra bint Rawaha reniny dia nangataka tamin-drainy mba hanome ampahany amin'ny volany ho an'ny zanany, saingy nisalasala izy ary nanemotra izany iray taona, dia noheveriny fa hamaly ny fangatahany izy ary hanome an'i Al-Noman zanany lahy, ka hoy izy : Tsy hanaiky aho raha tsy mijoro vavolombelona ny amin’izay nomenao ny zanako ny irak’Allah, fony aho mbola kely, ka tonga tany amin'ny irak'Allah (S.A.W) ary niteny manao hoe : Ry irak'Allah ô, ny renin'ity dia zanakavavin'i Rawaha dia tiako ny mba hijoroanao vavolombelona momba izay nomeny ny zanany lahy, dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : Ry Bashir, manan-janaka hafa ankoatr'ity ve ianao? Hoy izy : Eny. Hoy izy : Nomenao mitovy amin'izao ve izy rehetra? Hoy izy : Tsia. Ary hoy i Mpaminany (S.A.W) : Noho izany, aza ampijorona vavolombelona aho, fa izaho dia tsy mijoro vavolombelona amin'ny fampahoriana sy ny tsy rariny. Ary hoy i Moslim, nananatra azy : Fa ny hafa kosa mijoro vavolombelona amin'izany tsy rariny izany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsy maintsy mampiasa ny rariny eo amin’ny zanakalahy sy ny zanakavavy amin’ny fanomezana sy fanolorana, fa ny fandanina dia tombanana araka izay ilainy, araka izay ilainy avy.
  2. Tsy ara-drariny ny fitiavana ny ankizy sasany noho ny hafa, ary tsy azo atao ny mijoro vavolombelona na manao izany.
  3. Hoy i Al-Nawawi : Tokony hampitovy amin’ny zanany izy amin’ny fanomezana, ary hanome azy ireo mitovy amin’ny hafa ary tsy hanome vahana ny hafa, ary tokony hitovy amin’ny lahy sy ny vavy izy. Ary niteny ampahany amin'ny manam_pahaizana hoe : Ny lahy dia tokony hanana anjara avo roa heny amin'ny vehivavy, ary ny fomba fijery marina fanta-daza dia ny tokony hampitoviny amin'izy ireo mifototra amin'ny dikan'ny hadith.
  4. Ny didim-pitsarana mifanohitra amin'ny lalàna dia tsy manan-kery ary tsy ampiharina.
  5. Ny mpitondra sy ny mofti dia manadihady izay mety ho resahina; Noho ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Moa izany nataonao tamin’ny zanakao rehetra”?
  6. Hoy i Al-Nawawi : Ary ao amin'izany : Azo atao ny fiverenan'ny ray amin'ny fanomezana ny zanany.
  7. Ny didy izay mitarika ho amin’ny fihavanana eo amin’ny mpirahalahy, sy ny fisorohana izay mitondra fifandrafiana eo amin’izy ireo na miteraka tsy fankatoavana ny ray aman-dreny.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Teljo saohilia Tailandia Asamia Amharika Holandia Gojratia Aldoria Romaniana Hongariana الجورجية الماراثية
Fanehona ny dikanteny