+ -

عن أبي موسى رضي الله عنه أن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«لا نِكَاحَ إِلّا بِوَليٍّ».

[صحيح] - [رواه أبو داود والترمذي وابن ماجه وأحمد] - [سنن أبي داود: 2085]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Mossa (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tsy misy fanambadiana afa-tsy amin'ny alàlan'ny mpiahy."

[Mari-pototra] - [Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad] - [Sonan Abo Daòd - 2085]

Ny fanazavana

Nambaran'ny Mpaminany (S.A.W) mazava tsara fa tsy manan-kery ny fanambadian'ny vehivavy afa-tsy amin'ny alàlan'ny lehilahy mpiahy izay manatanteraka ny fifanekena amin'ny fanambadiana.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Okranianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny mpiahy dia fepetra amin'ny maha ara-dalàna ny fanambadiana, raha tanteraka ny fanambadiana tsy nisy mpiahy, na mampanambady ny tenany ilay vehivavy, dia tsy manan-kery ny fanambadiana.
  2. Ny mpiahy dia izay lehilahy akaiky indrindra an-dravehivavy, ka ny mpiahy lavitra dia tsy afaka mampanambady azy rehefa eo ny mpiahy akaiky azy.
  3. Ny fepetra takiana amin'ny mpiahy dia ny : olona fehezin'ny lalàna silamika, lehilahy, ny fahendrena amin'ny fahalalana ny tombontsoan'ny fanambadiana, ary ny fitovian'ny finoana eo amin'ny mpiahy sy ny vehivavy feheziny, ka izay tsy manana ireo toetra ireo dia tsy mendrika ny ho mpiahy amin'ny fifanekena amin'ny fanambadiana.
Fanampiny