+ -

عَن أَبِي أُمَامَةَ رضي الله عنه قَالَ: سَمِعْتَ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَخْطُبُ فِي حَجَّةِ الوَدَاعِ فَقَالَ:
«اتَّقُوا اللَّهَ رَبَّكُمْ، وَصَلُّوا خَمْسَكُمْ، وَصُومُوا شَهْرَكُمْ، وَأَدُّوا زَكَاةَ أَمْوَالِكُمْ، وَأَطِيعُوا ذَا أَمْرِكُمْ تَدْخُلُوا جَنَّةَ رَبِّكُمْ».

[صحيح] - [رواه الترمذي وأحمد] - [سنن الترمذي: 616]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abi Omama (R.A) : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) nitory teny tamin'ny Hajj fanaovam-beloma manao hoe :
“Matahora an’I Allah Tomponareo, ary mivavaha aminy in-dimy isan’andro, mifeheza mandritra ny iray volana, ary aloavy ny zakat amin’ny fanananareo, ary ankatoavy izay mpitondra aminareo, dia hiditra ao amin’ny Paradisan’ny Tomponareo ianareo.”

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad]

Ny fanazavana

Nanao toriteny tamin'ny andron'i Arafa ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny fivahiniana masina fanaovam-beloma tamin'ny taona fahafolo Hijria, ary izany no anarana nomena azy. Satria izy Mpaminany (S.A.w) tamin'io fotoana io no nanao veloma ny olona. Nandidy ny olona rehetra izy mba hatahotra ny Tompony amin’ny fankatoavana ny didiny sy ny fiatahana amin’ny fandrarany. Ary hanatanteraka ny vavaka in-dimy izay napetrak'I Allah ho adidy amin'ny andro sy ny alina. Ary hifehy amin'ny volana Ramadany. Ary ny famoaka ny Zakat amin'ny ho an'ireo mendrika izany ary tsy hahihitra ny aminy. Ary hankatò an’ireo notendren’I Allah ho mpitondra azy ireo, raha tsy ao anatin'ny fikomiana an'I Allah. Ka izay manao ireo zavatra voalaza ireo, dia ny fidirana ao amin’ny Paradisa no valisoany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Anisan’ny antony hidirana ao amin’ny Paradisa ireny asa ireny.