عَنِ ‌ابْنِ عَبَّاسٍ رضي الله عنهما قَالَ:
تَوَضَّأَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ مَرَّةً مَرَّةً.

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 157]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Ibn Àbbàs (R.A), Niteny ka nanao hoe :
Nanao ouzò ny Mpaminany (S.A.W) ka nataony indray mandeha indray mandeha avokoa.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [Sahìh Al-Bokhari - 157]

Ny fanazavana

Indraindray ny Mpaminany (S.A.W) dia nanasa indray mandeha ny rantsana tsirairay aminy rehefa manao ozò, ka nanasa ny tavany - anisan'izany ny vava sy ny orona - ary ny tànana sy ny tongotra indray mandeha, ary io no fetra tsy maintsy atao.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny indray mandeha no tsy maintsy atao ny manasa ireo rantsambatana, ary ny mihoatra noho izany dia mendrika.
  2. Ara-dalàna indraindray ny manasa indray mandeha eo amin'ny ouzò.
  3. Ny maha ara-dalàna ny misafo loha indray mandeha.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (58)