+ -

عن عَمْرُو بْنُ عَامِرٍ عَنْ ‌أَنَس بن مالك قَالَ:
كَانَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَتَوَضَّأُ عِنْدَ كُلِّ صَلَاةٍ، قُلْتُ: كَيْفَ كُنْتُمْ تَصْنَعُونَ؟ قَالَ: يُجْزِئُ أَحَدَنَا الْوُضُوءُ مَا لَمْ يُحْدِثْ.

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 214]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Àmrou bin Àmir, Tatitra azo avy tamin'i Annas bin Màlik niteny manao hoe :
Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao ozò isaky ny soalat Hoy aho hoe : Ahoana no nataonareo? Hoy izy : Ampy ho an'ny iray amintsika ny ozò anakiray raha mbola tsy namoaka loto.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [Sahìh Al-Bokhari - 214]

Ny fanazavana

Ny Mpaminany (S.A.W) dia manao ozò tsy tapaka isaky ny hanao soalat tsy maintsy atao na dia mbola tsy tapaka aza ny ozò nataony; Izany dia mba hahazoana valisoa sy hatsarana.
Azony atao ny manao soalat maromaro amin'ny ozò iray raha ohatra ka tsy mbola tapaka.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Indoneziana Aigoria Bengaly Torkia Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Italianina Oromianina Kanadianina الولوف Azerianina Okranianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny mahazatra indrindra ataon'ny Mpaminany (S.A.W) dia ny ozò isaky ny manao soalat, ho fitadiavana ny fahafenoana.
  2. Amporisihina ny manao ozò isaky ny soalat.
  3. Azo atao ny manao soalat mihoatra ny iray miaraka amin'ny ozò iray.