+ -

عَنْ أَنَسٍ رضي الله عنه قَالَ:
كَانَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَغْسِلُ، أَوْ كَانَ يَغْتَسِلُ، بِالصَّاعِ إِلَى خَمْسَةِ أَمْدَادٍ، وَيَتَوَضَّأُ بِالْمُدِّ.

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 201]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Annas (R.A) niteny hoe :
Ny Mpaminany (S.A.W), dia mandro tamin'ny " sàa' " iray ka hatramin'ny dimy fatra, ary nanao ozo tamin'ny "modd" iray izy.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 201]

Ny fanazavana

Ny Mpaminany (S.A.W) dia nandro taorian'ny fahalotoana lehibe (Janaba) tamin'ny alàlan'ny " sàa' " iray ka hatramin'ny dimy "modd", ary nanao ozo tamin'ny "modd" iray izy. Ny " sàa' " : dia mirefy efatra "modd", ary ny "modd" : dia fatra mameno ny felatan'ny olona ontonina amin'ny habe.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Litoanianina serbianina Romaniana الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha ara-dalàna ny fitsitsina rano amin'ny fanaovana Ozo sy ny fandroana, ary tsy manao fandaniam-poana na dia betsaka ny rano aza.
  2. Tsara ny fampihenana ny rano ampiasaina amin’ny ozo sy fisehana araka ny fatra ilaina, ary izany no fanaon’ny Mpaminany (S.A.W).
  3. Ny tiana ho lazaina dia ny fanaovana ozo sy ny fisehana feno, miaraka amin’ny fitandrona ny Sonnah sy ny fomba fanao ary tsy misy fandaniam-poana na fitsitsiana, ary manaja ny fotoana, ny habetsahan'ny rano sy ny tsy fahampiany, sy ny hafa ankoatr'izany.
  4. Ny Janabah dia ilazana izay olona namoaka tsirinaina na nanao firaisana, ary izany no iantsoana azy satria ny olona manao izany dia manalavitra ny vavaka sy ny fanompoana mandra-pahadiovany amin’izany.
  5. Swaa’: Famarana fanta-daza, ary tiana ho lazaina dia Swaa'-n'ny Mpaminany, ary ny lanjany dia (480) mithqals amin’ny varimbazaha tsara kalitao, ary raha amin'ny litatra dia (3 litatra).
  6. Ny Moudd: fandrefesana ara-dalàna, dia ny famenoana ny felatanan'ny olona antonony raha mameno azy roa izy ary mamelatra ny tànany anankiroa, Ny modd dia ampahefatry ny swaa' araka ny ifanarahan'ny mpahay lalàna, ary ny fatrany dia (750) mililitatra