+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«مَا يَزَالُ البَلاَءُ بِالمُؤْمِنِ وَالمُؤْمِنَةِ فِي نَفْسِهِ وَوَلَدِهِ وَمَالِهِ حَتَّى يَلْقَى اللَّهَ وَمَا عَلَيْهِ خَطِيئَةٌ».

[حسن] - [رواه الترمذي وأحمد] - [سنن الترمذي: 2399]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
“Hitohy hatrany ny fitsapana ho an’ny mpino, na lahy na vavy, eo amin’ny fiainany sy ny zanany ary ny fananany, mandra-pihaonany amin’I Allah, ary tsy hisy ota intsony eo aminy”.

[Tsara] - [Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad] - [Sonan At-Tirmizì - 2399]

Ny fanazavana

Milaza ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Ny loza sy ny fitsapana dia tsy misaraka amin'ny mpanompo lahy sy vavy, eo amin'ny tenany toy ny fahasalamany sy ny vatany, eo amin'ireo zanany toy ny aretina sy fahafatesana na tsy fanajan'ny zanaka, na hafa ankoatr'izany,eo amin'ny hareny, toy ny fahantrana, ny fanjavonan’ny varotra, ny halatra, ny fitotonganan’ny fivelomana, ary ny fahasahiranana eo amin’ny asa fivelomana, mandra-pamafan'I Allah ny fahotany rehetra amin'ny alalan'izany fitsapana izany, ka rehefa mihaona amin’I Allah izy dia efa voadio ny fahotana rehetra vitany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina serbianina Romaniana Kanadianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Anisan’ny famindram-pon’I Allah amin’ireo mpino mpanompony dia ny famafany ny fahotan’izy ireo eto an-tany noho fahavoazan'izy ireo ny loza eo aminy.
  2. Ny loza ihany dia mamafa ny fahotana raha toa ka mpino ilay olona, ka raha manam-paharetana ny mpanompo iray ka tsy tezitra dia hahazo valisoa.
  3. Famporosiana ny amin'ny faharetana amin’ny zavatra rehetra, amin’izay tiany sy halany, dia tokony hanam-paharetana izy mba hanatanterahany izay nandidian’I Allah, ary tokony hanam-paharetana mba hialany amin’izay voararan’I Allah, manantena ny valisoa avy amin’I Allah ary matahotra ny famaizany.
  4. Ny teniny hoe : “Amin’ny mpino lahy sy vavy”, ny teny "mpino vavy" fanampiny dia manaporofo ny fanamafisana bebe kokoa ho an'ny vehivavy, Raha tsy izany, raha nilaza fotsiny izy hoe : “amin'ny mpino”, dia ho anisan’izany ny vehivavy; Satria tsy voatokana ho an’ny lehilahy ihany izany, ka raha manjo ny vehivavy ny loza, dia ampanantenaina valisoa mitovy amin’izany koa izy amin’ny alàlan’ny famafana ny fahotana sy ny fahadisoana.
  5. Anisan'ny manamora ny hotsika manjo ny mpanompo isaky ny mihetsika, dia ny hatsarana azony vokatry ny loza nahazo azy.