عَنِ النُّعْمَانِ بْنِ بَشِيرٍ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«إِنَّ أَهْوَنَ أَهْلِ النَّارِ عَذَابًا مَنْ لَهُ نَعْلَانِ وَشِرَاكَانِ مِنْ نَارٍ، يَغْلِي مِنْهُمَا دِمَاغُهُ كَمَا يَغْلِ الْمِرْجَلُ، مَا يَرَى أَنَّ أَحَدًا أَشَدُّ مِنْهُ عَذَابًا، وَإِنَّهُ لَأَهْوَنُهُمْ عَذَابًا».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 213]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Nomani Ibn Bashir (R.A) : Niteny ny Irak'Allah (S.A.W) manao hoe :
"Ny kely indrindra amin'ny fijalian'ny mponin'ny helo dia izay manana kapa sy tranolay mirehitra roa, izay mangotraka ny atidohany toy ny vilany, ary tsy mihevitra izy fa misy olona mahazo sazy mahery kokoa noho izy, nefa tena famaizana mora indrindra amin’izy ireo.”
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 213]
Nanambara tamintsika i Mpaminany (S.A.W) fa ny olona izay hijaly kely indrindra amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty dia izay manana kapa sy kitrokely izay mampangotraka ny atidohany ny hafanany, toy ny vilany varahina mangotraka, ary tsy hitany fa misy olona ampijaliana mafy kokoa noho izy, ary izy no kely indrindra amin'ireo fijalina, ka ny fampijaliana ara-batana sy ara-tsaina no hitambatra aminy.