عَنْ صَفْوَانَ بْنِ مُحْرِزٍ قَالَ: قَالَ رَجُلٌ لِابْنِ عُمَرَ رضي الله عنهما كَيْفَ سَمِعْتَ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، يَقُولُ: فِي النَّجْوَى؟ قَالَ: سَمِعْتُهُ يَقُولُ:
«يُدْنَى الْمُؤْمِنُ يَوْمَ الْقِيَامَةِ مِنْ رَبِّهِ عَزَّ وَجَلَّ، حَتَّى يَضَعَ عَلَيْهِ كَنَفَهُ، فَيُقَرِّرُهُ بِذُنُوبِهِ، فَيَقُولُ: هَلْ تَعْرِفُ؟ فَيَقُولُ: أَيْ رَبِّ أَعْرِفُ، قَالَ: فَإِنِّي قَدْ سَتَرْتُهَا عَلَيْكَ فِي الدُّنْيَا، وَإِنِّي أَغْفِرُهَا لَكَ الْيَوْمَ، فَيُعْطَى صَحِيفَةَ حَسَنَاتِهِ، وَأَمَّا الْكُفَّارُ وَالْمُنَافِقُونَ، فَيُنَادَى بِهِمْ عَلَى رؤُوسِ الْخَلَائِقِ هَؤُلَاءِ الَّذِينَ كَذَبُوا عَلَى اللهِ».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 2768]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Safwan bin Mahrez niteny hoe : Nisy lehilahy iray niteny tamin'I Ibn Omar (R.A) hoe : Ahoana no nandrenesanao ny irak'Allah (S.A.W) tamin'ny fifampiraharahana? Hoy izy : Nandre azy aho niteny manao hoe :
“Amin’ny andron’ny fitsanganana amin’ny maty, ny mpino dia hanatona ny Tompony, ilay mahery sy be voninahitra, mandra-pametrahany ny saronany eo amboniny sy hiaiky ny fahotany aminy, ary hiteny hoe : Fantatrao va? Dia hoy izy : Eny, Tompoko, fantatro. Dia hoy Allah hoe : Izaho efa nanafina izany ho anao teto an-tany ary indro aho hamela izany ho anao anio, dia omena azy ny takelaky ny hatsarany. Fa ny tsy mpino sy ireo mpihatsaravelatsihy, ka dia hantsoina ho eo ambonin’ny lohan’ny zavaboary, izy ireo no nandainga momba an’I Allah.
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 2768]
Nitantara ny famonjen'I Allah ny mpino amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty i Mpaminany (S.A.W), ka hoy izy hoe :
Amin’ny andron’ny fitsanganana amin’ny maty dia hanatona amin’ny Tompony ny mpino, ary ho saronany amin’ny olon’ny toe-javatra misy azy mba tsy hisy olon-kafa hahafantatra ny tsiambaratelony. Dia ho lazaina aminy hoe :
Fantatrao ve ny fahotana otan’izao-sy-izao? ... Manaiky ny fahotana vita teo amin’ny mpanompo sy ny Tompony izy.
Hoy izy : Eny, Tompo ô.
Na dia mihorohoro sy matahotra aza ny mpino, dia hoy Allah ilay Tsitoha taminy hoe : Efa nafeniko ho anao tany ambonin'ny tany izany, ary havelako izany ho anao anio, ary homena an-tsoratra ny asa soa nataony izy.
Raha ny amin’ny tsy mpino sy ny mpihatsaravelatsihy, dia hantsoina manoloana ireo vavolombelona izy : Ireo no nandainga momba ny Tompony, marina tokoa fa ny ozon’I Allah dia mihatra amin’ireo mpanao ratsy.