1. Ny fototra
  2. Ireo fisokajiana
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Resaka Hoy aho : Ry irak'Allah ô, inona no famonjena? Dia hoy izy : “Tandremo ny lelanao, ary halalao ho anao ny tranonao, ary mitomaniza amin'ny fahotanao.”

عَنْ عُقْبَةَ بْنِ عَامِرٍ رضي الله عنه قَالَ:
قُلْتُ: يَا رَسُولَ اللهِ مَا النَّجَاةُ؟ قَالَ: «امْلِكْ عَلَيْكَ لِسَانَكَ، وَلْيَسَعْكَ بَيْتُكَ، وَابْكِ عَلَى خَطِيئَتِكَ».

Tatitra azo avy tamin'i O'qbata bin À'mir Al-Johanì (R.A) :
Hoy aho : Ry irak'Allah ô, inona no famonjena? Dia hoy izy : “Tandremo ny lelanao, ary halalao ho anao ny tranonao, ary mitomaniza amin'ny fahotanao.”

Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad Sonan At-Tirmizì - 2406

Ny fanazavana

Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) i Oqba Ibn Amir ireo anton'ny hamonjena ny mpino eto an-tany sy ny any ankoatra?
Niteny i Mpaminany (S.A.W) : Zavatra telo no tokony hataonao :
Voalohany : Fehezo ny lelanao amin’ny zavatra tsy tsara, sy ny teny ratsy rehetra, ary aza miteny afa-tsy ny tsara.
Faharoa : Mijanòna ao an-trano mba hanompoana an’Allah irery, miasa amin’ny fankatoavana an’I Allah ilay Tsitoha, ary misintaka mitokana ao antranonao manalavitra ny fakam-panahy.
Fahatelo : Mitomany sy manenina ary mibebaha amin’ny fahotana vitanao.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Fitiavan'ireo mpanaradian'ny Mpaminany (S.A.W) hahalala ny làlan’ny famonjena.
  2. Fanazavana ny anton’ny fahombiazana eto an-tany sy ny any ankoatra.
  3. Mamporisika ny olona iray hiasa mafy an’ny tenany raha tsy mahavita manasoa ny hafa, na matahotra ny hanimba ny fivavahany sy ny tenany raha mifangaro amin’ny olona.
  4. Ny fanondroana ny fikarakarana ny tokantrano, indrindra fa mandritra ny fakam-panahy, dia iray amin’ireo fomba hiarovana ny fivavahana.

Fanehoana ny dikan-teny

51 Ny Fiteny
EN English الإنجليزية
UR اردو الأوردية
ES Español الإسبانية
ID Indonesia الإندونيسية
UG ئۇيغۇرچە الأيغورية
BN বাংলা البنغالية
TR Türkçe التركية
RU Русский الروسية
BS Bosanski البوسنية
SI සිංහල السنهالية
HI हिन्दी الهندية
ZH 中文 الصينية
FA فارسی الفارسية
VI Tiếng Việt الفيتنامية
TL Tagalog تجالوج
KU Kurdî الكردية
HA Hausa الهوسا
PT Português البرتغالية
ML മലയാളം المليالم
TE తెలుగు التلغو
SW Kiswahili السواحيلية
TA தமிழ் التاميلية
MY မြန်မာ البورمية
TH ไทย التايلندية
DE Deutsch الألمانية
PS پښتو بشتو
AS অসমীয়া الأسامية
SQ Shqip الألبانية
SV Svenska السويدية
AM አማርኛ الأمهرية
NL Nederlands الهولندية
GU ગુજરાતી الغوجاراتية
NE नेपाली النيبالية
YO Yorùbá اليوروبا
LT Lietuvių الليتوانية
PRS دری الدرية
SR Српски الصربية
TG тоҷикӣ الطاجيكية
RW Kinyarwanda الكينياروندا
RO Română الرومانية
HU Magyar المجرية
MOS Moore الموري
OM Oromoo الأورومو
KN ಕನ್ನಡ الكانادا
WO Wolof الولوف
UK Українська الأوكرانية
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية