عن أسامة بن زيد رضي الله عنهما عن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«مَا تَرَكْتُ بَعْدِي فِتْنَةً أَضَرَّ عَلَى الرِّجَالِ مِنَ النِّسَاءِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 5096]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Oussam Ibn Zayd (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tsy namela fakam-panahy mampidi-doza ao aoriako mihaotra ny lehilahy amin'ny vehivavy aho."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 5096]

Ny fanazavana

Nilaza i Mpaminany (S.A.W) fa tsy namela tao aoriany ny fitsapana na fakampanahy mahery vaika izay manimba mihoatra ny fakampanahy eo amin'ny lehilahy sy ny vehivavy; Raha anisan’ny ankohonany ilay vehivavy, dia vosedra izy fiarovana azy amin’ny fandikan-dalàna, ary raha olon-tsy fantatra (tsy ankohonany) kosa ilay vehivavy, dia vosedra izy amin’ny fifangaroany sy ny fiarahany mitakosina aminy ary ny faharatsiana aterak’izany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny tokony ataon'ny mpino silamo dia mitandrina amin'ny fakam-panahy ataon'ny vehivavy, ary manidy ny làlana rehetra izay mitondra makany amin'ny fakam-panahy.
  2. Tokony hifikitra amin’Allah ny mpino ary maniry mba ho voaro amin’ny fakam-panahy.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (63)