عَن هَانِئ مَوْلَى عُثْمَانَ رَضيَ اللهُ عنهُ قَالَ: كَانَ عُثْمَانُ إِذَا وَقَفَ عَلَى قَبْرٍ بَكَى حَتَّى يَبُلَّ لِحْيَتَهُ، فَقِيلَ لَهُ: تُذْكَرُ الْجَنَّةُ وَالنَّارُ فَلَا تَبْكِي، وَتَبْكِي مِنْ هَذَا؟ فَقَالَ: إِنَّ رَسُولَ اللهِ صلى الله عليه وسلم قَالَ:
«إِنَّ الْقَبْرَ أَوَّلُ مَنْزِلٍ مِنْ مَنَازِلِ الْآخِرَةِ، فَإِنْ نَجَا مِنْهُ فَمَا بَعْدَهُ أَيْسَرُ مِنْهُ، وَإِنْ لَمْ يَنْجُ مِنْهُ فَمَا بَعْدَهُ أَشَدُّ مِنْهُ».
[حسن] - [رواه الترمذي وابن ماجه] - [سنن الترمذي: 2308]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'ny Hanì, mpanampin'i Othman (R.A) niteny : Isaky ny nitsangana teo amin'ny fasana i Othman, dia nitomany mandra-paha lena ny volombavany, ary nisy nilaza taminy hoe : Nolazaina momba ny Paradisa sy ny helo ianao tsy mitomany, koa amin'ity ve vao mitomany? Namaly izy hoe : Tena marina fa niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny fasana no dingana voalohany amin'ny fiainana any ankoatra, ka raha voavonjy amin'izany ny olona iray dia mora kokoa noho izany ny manaraka, ary raha tsy afaka ao dia ho mafy kokoa noho izany ny manaraka."
[Tsara] - [Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah] - [Sonan At-Tirmizì - 2308]
Rehefa nitsangana teo amin’ny fasana ilay lehiben’ny mpino silamo, Othman bin Affan (R.A), dia nitomany izy mandra-pahalena ny volombavany, ary nisy nilaza taminy hoe : Notsiahivina taminao ny Paradisa sy ny Helo, dia tsy nitomany ho fitsiriritana ny Paradisa na fatahorana ny Afobe! Nefa dia mitomany ianao rehefa mahita ny fasana? Namaly izy hoe : Ny Mpaminany (S.A.W) nilaza fa ny fasana no dingana voalohany amin’ny fiainana any akoatra, ka raha voavonjy sy avotra amin’izany izy, dia mora kokoa noho izany ny dingana manaraka, ary raha tsy voavonjy amin'ny saziny, dia hahazo famaizana mafy kokoa noho ny izany.