+ -

عن تَميم الداري رضي الله عنه، قال: سمعتُ رسول الله صلى الله عليه وسلم يقول:
«‌لَيَبْلُغَنَّ ‌هَذَا الأَمْرُ مَا بَلَغَ اللَّيْلُ وَالنَّهَارُ، وَلَا يَتْرُكُ اللهُ بَيْتَ مَدَرٍ وَلَا وَبَرٍ إِلَّا أَدْخَلَهُ اللهُ هَذَا الدِّينَ، بِعِزِّ عَزِيزٍ أَوْ بِذُلِّ ذَلِيلٍ، عِزًّا يُعِزُّ اللهُ بِهِ الإِسْلَامَ، وَذُلًّا يُذِلُّ اللهُ بِهِ الكُفْرَ» وَكَانَ تَمِيمٌ الدَّارِيُّ يَقُولُ: قَدْ عَرَفْتُ ذَلِكَ فِي أَهْلِ بَيْتِي، لَقَدْ أَصَابَ مَنْ أَسْلَمَ مِنْهُمُ الْخَيْرُ وَالشَّرَفُ وَالْعِزُّ، وَلَقَدْ أَصَابَ مَنْ كَانَ مِنْهُمْ كَافِرًا الذُّلُّ وَالصَّغَارُ وَالْجِزْيَةُ.

[صحيح] - [رواه أحمد] - [مسند أحمد: 16957]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Tamim Ad-Dari (R.A), niteny : Izaho naheno an'ilay Irak'Allah (S.A.W) niteny manao hoe :
“Ho tonga amin’izy ireo ity finoana ity, tahaky ny fahatongavan'ny alina sy ny atoandro, ary tsy hamela trano madio na feno vovoka Allah, afa-tsy ampidirany an'ity finoana ity, miaraka amin'ny voninahitry mihaja na fahafaham-barakan'ny marefo, voninahitra hanandratan'I Allah ny finoana silamo, ary fanalam-baraka izay nampietry ireo tsy mpino.” Ary niteny i Tamim ad-Dari hoe : “Fantatro izany tao amin’ny fianakaviako, nomem-boninahitra izay nino, fa tratran'ny fahambaniana sy fandoavan-ketra kosa ireo tsy nino.

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Ahmad] - [Mosnad Ahmad - 16957]

Ny fanazavana

Nanambara ny Mpaminany (S.A.W) fa hiparitaka amin'ny faritra rehetra eto an-tany ity finoana ity, ka na aiza na aiza toerana ahatongavan'ny alina sy atoandro, dia ho tonga any aminy ity finoana ity. Ary tsy havelan'I Allah na dia trano iray any amin’ny tanàn-dehibe sy ambanivohitra na any amin'ny tany bedoina na tany efitra afa-tsy ampidiriny ity finoana ity. Ka izay manaiky io finoana io sy mino azy dia hanam-boninahitra noho ny voninahitry ny finoana silamo. Ary izay mandà izany ka tsy mino dia ho afa-baraka sy hohambaniana.
Avy eo dia nilaza ilay mpiara-dia aminy dia i Tamim ad-Dari fa hitany ny zavatra nolazain'ny Irak'I Allah tamin'ny fianakaviany manokana, ka izay nanaraka ny finoana silamo tamin'izy ireo dia nahazo soa, voninahitra sy haja, ary izay tsy nino teo amin’izy ireo kosa dia nahazo fahafaham-baraka sy fahambanina, izany dia noho ny fandoavany hetra amin'ny mpino silamo.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Oromianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Vaovao mahafaly ho an'ny mpino silamo fa hiparitaka manerana ny tany ny finoany.
  2. Ny voninahitra dia ho an'ny finoana silamo sy ny mpino silamo, ary ny fahafaham-baraka dia ho an'ny tsy finoana sy ny tsy mpino.
  3. Ao amin'io hadith io dia ahitana porofon’ny faminaniana sy fambara iray amin'ireo fambara maro, satria tanteraka izany tahaka ny nanambaran’ny Mpaminany (S.A.W) azy.