+ -

عَنْ أَبِي سَعِيدٍ الْخُدْرِيِّ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«إِذَا شَكَّ أَحَدُكُمْ فِي صَلَاتِهِ، فَلَمْ يَدْرِ كَمْ صَلَّى ثَلَاثًا أَمْ أَرْبَعًا، فَلْيَطْرَحِ الشَّكَّ، وَلْيَبْنِ عَلَى مَا اسْتَيْقَنَ، ثُمَّ يَسْجُدُ سَجْدَتَيْنِ قَبْلَ أَنْ يُسَلِّمَ، فَإِنْ كَانَ صَلَّى خَمْسًا شَفَعْنَ لَهُ صَلَاتَهُ، وَإِنْ كَانَ صَلَّى إِتْمَامًا لِأَرْبَعٍ كَانَتَا تَرْغِيمًا لِلشَّيْطَانِ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 571]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abo Said Al-Khodri (R.A) : Niteny ny Mpaminany (Saw ) manao hoe:
“Raha misalasala ny amin’ny vavaka ataony ny iray aminareo, ka tsy fantany hoe telo sa efatra rakat vitany, dia aoka izy hanaisotra ny fisalasalana, ary hanao izay azony antoka, avy eo izy miankohoka indroa alohan’ny famaranana (salam), raha nivavaka dimy rakat izy, dia lasa isa azo zaraina noho ilay fiankohofana roa, ary raha feno efatra rakat ny vavaka nataony, dia ho fanakiviana an’i Satana izany".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 571]

Ny fanazavana

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa raha misalasala ny amin'ny isany vavaka ataony ny olona iray ka tsy fantany hoe telo sa efatra? Dia aoka izy tsy hanampy isa izay mampisalasala azy; Ka ny telo no azo antoka, avy eo manao rakat faha efatra izy, aorian'izany dia miankohoka indroa mialohan’ny salam famaranana.
Raha efatra tokoa no rakat vita; dia lasa dimy tamin’ny rakat iray fanampiny, ary ny fiankohofana roa fanadinoana no hisolo ny rakat iray, ka lasa azo zaraina roa ny isa fa tsy "witr", fa raha feno efatra tamin'ilay rakat iray fanampiny ny swalat nataony, arak'izany dia nahavita izay tokony hataony izy, sady tsy mihoatra no tsy latsaka.
Ny fiankohofana anankiroa noho ny fanadinoana dia fanalam-baraka an’i devoly sy fandisoam-panantenana ho azy amin'ny tanjona nokendreny. Satria izy nampisafotofoto ilay vavaka, ary nanao ny fomba hanimbany izany. Feno tanteraka ny vavaky ny zanak’i Adama rehefa nanaraka ny didin’I Allah tamin'ny alàlan'ny fiankohofana, izay tsy nankatoavin’i losifera, rehefa izy tsy nety nankatò an’I Allah tamin'ny tsy nanekeny ny hiankohoka tamin’i Adama.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana الموري Oromianina Kanadianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Raha misalasala tamin'ny vavaka nataony ny olona iray, ary tsy fantany ny tena izy amin'ireo zavatra roa mampisalasala azy, dia tokony hanaisotra ny fisalasalana izy ary hanao zavatra azo antoka, izany dia ny fakàna ny isa vitsy, ka tontosainy ny fivavahany sy miankohoka ho solon'ny fanadinoana izy mialohan'ny hanao Salam avy eo dia mamarana ny vavaka.
  2. Ireo fiankohofana anankiroa ireo dia fomba iray hanitsiana ny swalat, ary hamerenana an’i Satana ho amin’ny faty antoka sy ny henatra ary lavitry ny faniriany.
  3. Ny fisalasalana voalaza ao amin'ny hadith dia ny tsy fananana toky na dia kely ny iray amin' ireo mampisalasala, ka raha misy ny ahiahy, nefa misy ihany koa ny itongilanan'ny saina, dia iny no raisina.
  4. Famporisihana hiady amin'ny fakam_panahy sy fanoherana azy amin'ny alalan'ny fanarahana ny baikon'ny lalàna.
Fanampiny