+ -

عن عائشةَ أُمِّ المُؤْمِنينَ رضي الله عنها:
أن النبي صلى الله عليه وسلم كان لا يَدع أربعا قَبل الظهر وركعتين قبل الغَدَاة.

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 1182]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Aicha renin'ny mpino (R.A) niteny manao hoe :
Ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy namela rakaat efatra alohan'ny mitataovovonana sy roa rakaat alohan'ny maraina.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [Sahìh Al-Bokhari - 1182]

Ny fanazavana

Nitatitra i Aisha (R.A) fa ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao vavaka an-tsitrapo tsy tapaka tao an-tranony ary tsy namela azy ireo : rakaat efatra misy fiarahabana (SALAM) roa alohan'ny mitataovovonana, ary roa rak'ah alohan'ny vavaka maraina.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsara ny mitazona rakaat efatra alohan'ny vavaka mitataovovonana, ary rakaat roa alohan'ny vavaka maraina.
  2. Tsara kokoa ny mivavaka Sonnah Rawatib tsy tapaka ao an-trano, ary izany no nahatonga an'i Aisha (R.A) no nilaza izany.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Nepalianina Aldoria Romaniana Hongariana الموري Kanadianina الولوف Okranianina الجورجية المقدونية الخميرية الماراثية
Fanehona ny dikanteny