+ -

عَنْ عَبْدِ اللهِ بْنِ مُغَفَّلٍ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ النَّبِيُّ صلى الله عليه وسلم:
«بَيْنَ كُلِّ أَذَانَيْنِ صَلَاةٌ، بَيْنَ كُلِّ أَذَانَيْنِ صَلَاةٌ» ثُمَّ قَالَ فِي الثَّالِثَةِ: «لِمَنْ شَاءَ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 627]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Moghaffal (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.W.A) manao hoe :
"Eo anelanelan'ny Azan roa dia misy swalat avy eo izy dia niteny tamin'ny fahatelo manao hoe : "Ho an'izay mila izany".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 627]

Ny fanazavana

Nazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa eo anelanelan'ny Azany (antso) sy ny Ikama (fananganana swalat) dia misy vavaka an-tsitrapo, naveriny in-telo izany, ary nilaza izy tamin'ny fanintelony fa tsara kokoa izany ho an'izay te hivavaka.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Indoneziana Bosnia Sinhala Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Romaniana
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsara ny mivavaka eo anelanelan'ny Azan sy ny ikama.
  2. Fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.A.W) ny famerimberenana ny teny lazainy, mba hihainoana sy hanamafisana ny maha-zava-dehibe ny zavatra nolazainy.
  3. Ny tiana ho lazaina amin'ny antso roa : ny antso ho amin'ny vavaka (Azan) sy ny ikama, nomeny anarana izy roa hoe (antso roa) fampandresena fotsiny, toy ny fitenenana hoe: volana roa (ny masoandro sy ny volana) sy ny omar roa (Abo Bakr sy Omar).
  4. Ny Azan dia fampahafantarana ny fahatongavan'ny fotoana, ary ny ikamah dia fampahafantarana fitsanganan'ny swalat.