+ -

عَنْ أَبِي سَعِيدٍ الخُدْرِيِّ رضي الله عنه أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«إِذَا سَمِعْتُمُ النِّدَاءَ، فَقُولُوا مِثْلَ مَا يَقُولُ المُؤَذِّنُ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 611]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Said Al-Khodri (RA), niteny i Mpaminany (SAW) manao hoe :
"Rehefa mandre ny antso ho amin'ny vavaka ianareo (Azan) dia averenonareo izay lazain'ilay mpiantso."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Mamporisika antsika hamaly ny mpiantso rehefa mandre azy ny Mpaminany (SAW), amin'ny famerenana izay lazainy, fehezanteny isaky ny fehezanteny. Rehefa miteny “Allaho Akbar” izy, dia isika koa mamaly hoe “Allaho Akbar” ao aoriany, ary rehefa manonina ny fijoroana ho vavolombelona roa izy, dia manonina izany koa isika ao aoriany. Tsongaina manokana ny teny hoe : (Hayya Àla-soalat, Hayya Àlal-Falàh - Izay midika hoe : Mitongava manatrika ny vavaka, mitongava amin’ny fahombiazana), eo kosa dia tenenina ao aoriany hoe : (Là Haola wala-qowwata illà billàhy - Tsy misy hery na tanjaka afa-tsy amin’Allah.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Alimanina Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Mamerina ny voalazan'ny mpiantso faharoa rehefa vita ny an'ilay voalohany, raha toa ka maromaro ny mpiantso: Satria ny mpanao Azany amin'ny ankapobeny no lazain'ny Hadith.
  2. Mamaly ny mpiantso amin'izay rehetra teneniny, raha tsy ao amin'ny trano fivoahana na mamoaka maloto ihany no tsy manaraka