عن أبي سعيد الخدري رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«الحَسَن والحُسَيْن سَيِّدا شَباب أهْل الجنة».
[صحيح] - [رواه الترمذي وأحمد] - [سنن الترمذي: 3768]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Abo Said Al-Khodri (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe :
"I Al-Hasan sy Al-Hossein no lehiben'ny tanora ao amin'ny Paradisa."
[Mari-pototra] - [Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad] - [Sonan At-Tirmizì - 3768]
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny zafikeliny roa lahy, Al-Hassan sy Al-Hossein, zanak'i Ali bin Abi Talib sy Fatima, zanakavavin'ny Mpaminany (S.A.W), Izy roa no lehiben'ireo olona rehetra maty fony mbola tanora ary miditra ao amin’ny Paradisa amim-pahamendrehana, na izy ireo no lehiben’ny tanora ao amin'ny Paradisa, afa-tsy ny mpaminany sy ireo mpandimby azy ireo tamin'ny fitondrana.