+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«نَارُكُمْ جُزْءٌ مِنْ سَبْعِينَ جُزْءًا مِنْ نَارِ جَهَنَّمَ»، قِيلَ: يَا رَسُولَ اللَّهِ، إِنْ كَانَتْ لَكَافِيَةً. قَالَ: «فُضِّلَتْ عَلَيْهِنَّ بِتِسْعَةٍ وَسِتِّينَ جُزْءًا كُلُّهُنَّ مِثْلُ حَرِّهَا».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 3265]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.D), fa Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe :
" Ny afonareo dia ampahany kely amin'ny fitopolo fizarana ny amin'ny Afobe", nisy Niteny hoe : O Ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, Izany dia efa ampy. Namaly Izy ka nanao hoe : " Sivy ambin'ny Enimpolo avo heny ka ny iray amin'izany dia tahakan'ny hafanany ".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Mampahafantatra i Mpaminany (S.W,A) fa ny afon'ny eto an-tany dia ampahany kely amin'ny fitopolo ao amin'ny Afobe. Ny afon’ny any ankoatra dia mafana Sivy amby Enimpolo avo heny noho ny hafanan’ny afon’ny eto an-tany, ka isaky ny ampahany dia mitovy amin’ny hafanan’ny eto an-tany. Teo dia nisy Niteny hoe : O Ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah ny afo eto an-tany efa mahampy amin'ny fanasazina ny Olona ao anatiny, Namaly Izy ka nanao hoe : Ny hafanan'ny Afobe dia mitombo avo heny amin'ny hafanan'ny afo eto an-tany eo amin'ny Sivy ambin'ny Enimpolo eo.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fampitandremana momba ny afo mba hanalaviran'ny Olona ireo hetsika mitarika ny fidirana ho amin'izany.
  2. Ny haleben'ny afon'ny Afobe sy ny sazy ao aminy, sy hamafin'ny hafanany.