عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ، قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«إِنَّ أَوَّلَ زُمْرَةٍ يَدْخُلُونَ الجَنَّةَ عَلَى صُورَةِ القَمَرِ لَيْلَةَ البَدْرِ، ثُمَّ الَّذِينَ يَلُونَهُمْ عَلَى أَشَدِّ كَوْكَبٍ دُرِّيٍّ فِي السَّمَاءِ إِضَاءَةً، لاَ يَبُولُونَ وَلاَ يَتَغَوَّطُونَ، وَلاَ يَتْفِلُونَ وَلاَ يَمْتَخِطُونَ، أَمْشَاطُهُمُ الذَّهَبُ، وَرَشْحُهُمُ المِسْكُ، وَمَجَامِرُهُمْ الأَلُوَّةُ الأَنْجُوجُ، عُودُ الطِّيبِ وَأَزْوَاجُهُمُ الحُورُ العِينُ، عَلَى خَلْقِ رَجُلٍ وَاحِدٍ، عَلَى صُورَةِ أَبِيهِمْ آدَمَ، سِتُّونَ ذِرَاعًا فِي السَّمَاءِ».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 3327]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
“Ny antokon’olona voalohany hiditra ao amin’ny Paradisa dia hitovy endrika amin’ny volana fenomanana, ary ny manaraka azy dia ho tahaka ny kintana mamirapiratra eny amin’ny lanitra. ,Tsy mamany sy mangery izy ireo, tsy mandrora sns, volamena ny fihogony, misk ny hatsembohany, ary aloe vera sy manitra oud ny fandoroana azy. Ary ny vadiny dia tsara tarehy, noforonina tamin'ny fon'ny lehilahy iray, tahaka ny endrik’i Adama rainy, enim-polo hakiho miakatra any an-danitra.”
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 3327]
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny vondrona mpino voalohany hiditra ao amin'ny paradisa dia hanana ny tarehiny amin'ny endriky ny volana amin'ny alin'ny diavolana ny fahazavany, ary izay manaraka azy ireo dia hanana ny famirapiratana indrindra toy kintana eny amin’ny lanitra, ary hanana filazalazana ny amin’ny fahatanterahana izy ireo amin’ny hoe tsy mipipy na mikaka ary mandroba, na mandrora, volamena ny fihogony, ary ranomanitra Misk ny hatsembohany, ary ny fandoroana dia mamoaka ditin-kazo manitra tsara indrindra sy ny fofona manitra, ny vadin'izy ireo dia ireo vehivavy tsara tarehy, Izy ireo dia noforonina taorian'ny nahariana ny lehilahy iray, amin'ny endrika Lava toy i Adama rainy sady natanjaka tsara, Enimpolo hakiho ny halavany eny amin'ny lanitra.