عن أبي هريرة رضي الله عنه قال:
سُئِلَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ عَنْ أَكْثَرِ مَا يُدْخِلُ النَّاسَ الْجَنَّةَ، فَقَالَ: «تَقْوَى اللهِ وَحُسْنُ الْخُلُقِ»، وَسُئِلَ عَنْ أَكْثَرِ مَا يُدْخِلُ النَّاسَ النَّارَ فَقَالَ: «الْفَمُ وَالْفَرْجُ».

[حسن صحيح] - [رواه الترمذي وابن ماجه وأحمد] - [سنن الترمذي: 2004]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) niteny :
Nanontaniana ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (S.A.W) ny amin’izay tena mampiditra ny Olona ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy nanao hoe : “ Fatahorana an’i Tompo Allah sy fananana toetraTtsara ”, ary nanontaniana Izy ny amin’izay tena mitondra ny Olona ho any amin’ny Afobe . ka nanao hoe : “ Ny Vava sy ny Taovam-pananahana ”.

[Mari-pototra sy tsara] - [Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad] - [Sonan At-Tirmizì - 2004]

Ny fanazavana

Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa ny antony lehibe indrindra hidirana ny Paradisa dia antony roa izany dia :
Ny Fatahorana an'i Tompo Allah sy fanànana fitondran-tena Tsara sy Mendrika.
Koa ny Fahatahorana an’i Tompo Allah : dia ny fametrahana fiarovana eo Aminao sy famaizan’i Tompo Allah, ary izany dia ny fanatanterahana ny Didiny sy ny fialana amin’ny Fandrarany.
Fitondran-tena Mendrika dia : Atao amin’ny fitsikina eo amin’ny Tarehy sy ny fanaovana Asa soa ary ny fitsaharana amin’ ny Ratsy.
Ny antony lehibe indrindra hidirana amin'ny Afobe dia antony Roa :
Ny Lela sy ny Taovam-pananahana.
Anisan’ny Ota sy Fahotana ny Lela : Mandainga, Mifosafosa, Fitondrana resaka mampiady, sy ny hafa.
Anisan'ny Ota sy Fahotana ny Taovam-pananahana dia : Ny fijangajangana, ny Sodomia, sy ny hafa.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fidirana ao amin’ny Paradisa dia manana antony mifandray amin’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha, ao anatin’izany dia : Ny Fatahorana an'i Tompo Allahsy ny antony mifandray amin’ny Olona, anisan’izany : Ny toetra Tsara.
  2. Mampidi-doza ho an’ny tompony ny Lela, ary anisan’ny antony hidirany amin’ny Afobe izany.
  3. Ny loza ateraky ny fanirian-dratsy sy ny fijangajangana amin'ny Olombelona, ary izany no anisan'ny antony lehibe indrindra amin'ny fidiran'ny Afobe.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (67)