عن سَمُرَة بن جندبٍ رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«أَحَبُّ الْكَلَامِ إِلَى اللهِ أَرْبَعٌ: سُبْحَانَ اللهِ، وَالْحَمْدُ لِلهِ، وَلَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ، وَاللهُ أَكْبَرُ، لَا يَضُرُّكَ بِأَيِّهِنَّ بَدَأْتَ».
[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2137]
المزيــد ...
Arakan’ny petra-bolana Notaterin’ny Samorat ibn Jondob (R.d) Nilaza ka nanao hoe : Nilaza ilay Irakan’i Tompo Allah (S.W.A) Niteny ka nanao hoe :
" Ny Teny tena Tian'i Tompo Allah indrindra dia misy Efatra : Voninahitra anie ho an'i Tompo Allah (Sobohànalloahy),fiderana anie hoan'i Tompo Allah (Alhamdo lillàhy), tsy misy Andriamanitra afa-tsy i Tompo Allah (Là ilàha illalloàhou), ary lehibe indrindra i Tompo Allah (Allah Akbar), tsy maninona na inona na inona amin’ireo no atombokao voalohany. "
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2137]
Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny Teny tian'i Tompo Allah indrindra dia misy Efatra :
Voninahitra anie ho an'i Tompo Allah (Sobohànalloaho): Midika izany fa hoe : Fampiatahama sy Fampisitahana tanteraka an'i Tompo Allah amin’izay rehetra mirakitra ny tsy fahampiana rehetra.
fiderana anie ho an'i Tompo Allah (Alhamdou Lillàhy) : izany dia Fidokana an'i Tompo Allah amin’ny fahafenoany sy ny fitiavana Azy ary filazana halebeazany
tsy misy Andriamanitra afa-tsy i Tompo Allah (Là ilàha illalloàho): izany hoe : tsy misy mendrika tompoina ampahamarinana afa tsy i Tompo Allah.
Lehibe indrindra i Tompo Allah (Allah Akbar): midika izany fa hoe : Avo sy Lehibe ary mafy indrindra noho ny rehetra
Marina tokoa ny fahasoavana Aminy na koa fazahoana fahasoavana avy Aminy tsy mitaky ny fandaharana izany amin’ny fanononana.