Lisitr'ireo hadith

Ny tonom-bavaka tsara indrindra dia ny : LA ILAHA ILLA-LLWAHO (Tsy misy tompo mendrika ho tompoina amin'ny marina afa-tsy i Tompo Allah), ary ny fangatahana sy fitalahoana tsara indrindra dia ny : AL-HAMDO LILLAHI (Fisaorana sy fankasitrahana ary fiderana an'i Tompo Allah)
عربي Anglisy Ordo
Ny Teny tena Tian'i Tompo Allah indrindra dia misy Efatra : Voninahitra anie ho an'i Tompo Allah (Sobohànalloahy),fiderana anie hoan'i Tompo Allah (Alhamdo lillàhy), tsy misy Andriamanitra afa-tsy i Tompo Allah (Là ilàha illalloàhou), ary lehibe indrindra i Tompo Allah (Allah Akbar), tsy maninona na inona na inona amin’ireo no atombokao voalohany.
عربي Anglisy Ordo
“ Teny roa maivana amin’ny lela, nefany tena mavesa-danja eo amin’ny mizana (vato-fandajana), ary tian’Ilay Be famindrampo
عربي Anglisy Ordo
Ny fitenenana Soubohànalloàhi, wale-hamdou Lillàhy, walà ilàha illal-làhoU, wallàho Akbaro, dia tiako lavitra mihoatrany andro niposahan'ny masoandro
عربي Anglisy Ordo
“Tsy nipetrapetraka ny vahoaka iray tamin’ny fivoriana izay tsy nanononany n'y anaran’I Allah na tsy nivavaka ho an’ny mpaminaniny, afa-tsy hoe faty antoka ho azy ireo izany, ka raha sitrak'Allah dia ho saziny ary raha tiany dia hamela azy ireo Izy .”
عربي Anglisy Ordo
“Izay miteny hoe : Izaho manaiky an’Allah ho Tompoko, ny finoana Silamo ho fivavahako, ary i Mohamad ho iraka, dia azo antoka ho azy ny Paradisa”
عربي Anglisy Indoneziana