عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه، عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«مَا جَلَسَ قَوْمٌ مَجْلِسًا لَمْ يَذْكُرُوا اللَّهَ فِيهِ وَلَمْ يُصَلُّوا عَلَى نَبِيِّهِمْ إِلاَّ كَانَ عَلَيْهِمْ تِرَةً، فَإِنْ شَاءَ عَذَّبَهُمْ وَإِنْ شَاءَ غَفَرَ لَهُمْ».
[صحيح] - [رواه أبو داود والترمذي والنسائي في الكبرى] - [سنن الترمذي: 3380]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Tsy nipetrapetraka ny vahoaka iray tamin’ny fivoriana izay tsy nanononany n'y anaran’I Allah na tsy nivavaka ho an’ny mpaminaniny, afa-tsy hoe faty antoka ho azy ireo izany, ka raha sitrak'Allah dia ho saziny ary raha tiany dia hamela azy ireo Izy .”
[Mari-pototra] - - [Sonan At-Tirmizì - 3380]
Nampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny amin’ny fanaovana tsirambina ny fahatsiarovana an’I Allah, ary tsy nisy olona nipetraka tao amin’ny fivoriana iray ka tsy niresaka momba an’I Allah Tsitoha, ary tsy nivavaka ho an’ny irak’Allah tao, afa-tsy hoe izany fivorina izany dia ho loharanon’ny fanenenana ho azy ireo, faty antoka, famoizam-po ary tsy fahampiana amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, raha sitrak'Allah, dia hanasazy azy ireo noho ny fahotany sy ny fahadisoany teo aloha, ary raha sitrany dia hamafa heloka azy ireo Izy noho ny fahasoavany sy ny famindram-pony.