+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه عن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«لَيْسَ شَيْءٌ أَكْرَمَ عَلَى اللهِ تَعَالَى مِنَ الدُّعَاءِ».

[حسن] - [رواه الترمذي وابن ماجه وأحمد] - [سنن الترمذي: 3370]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“ Tsy misy mendri-kaja kokoa eo amin’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha mihoatra noho ny Fangatahana Douan. ”

[Tsara] - [Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad] - [Sonan At-Tirmizì - 3370]

Ny fanazavana

Nanazava ka Nilaza i Mpaminany (S.W.A) fa tsy misy zavatra tsara kokoa eo imason’i Tompo Allah mihoatra noho ny Fangatahana sy fitalahoana miambany amin'ny alalan'ny Fangatahana. Satria mirakitra ny fanekena ny haren’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha, ary ny fanekena ny tsy fahafahan’ny Mpanompo sy ny tsy fahampian’ny eo amin’ny Tenany izany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Folianina Oromianina Kanadianina الولوف البلغارية Azerianina Ozbekianina Okranianina الجورجية اللينجالا المقدونية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny hasin'ny Fangatahana sy ny vonahiny, ary izay miantso ka mangataka amin'i Tompo Allah dia efa manome voninahitra Azy sy manaiky fa Mpanan-karena Izy, ary voninahitra lehibe ho Azy izany, ary ny mahantra tsy angatahina, ary tena Mandre tokoa Izy, ka ny marenina tsy angatahana, Malala-tanana Izy, ka ny mahihitra tsy angatahina, ary Mpamindra fo Izy, ny mahery fo tsy angatahina, ary Mahery Izy, ka ny tsy manan-kery tsy angatahina, ary akaiky tokoa Izy , ka ny lavitra tsy angatahana. , ary Izany no iray amin’ireo Toetran’ny fahalehibiazana sy ny hakanton’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha.