عَنْ جُوَيْرِيَةَ أُمِّ المؤْمنينَ رَضيَ اللهُ عنها:
أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ خَرَجَ مِنْ عِنْدِهَا بُكْرَةً حِينَ صَلَّى الصُّبْحَ، وَهِيَ فِي مَسْجِدِهَا، ثُمَّ رَجَعَ بَعْدَ أَنْ أَضْحَى، وَهِيَ جَالِسَةٌ، فَقَالَ: «مَا زِلْتِ عَلَى الْحَالِ الَّتِي فَارَقْتُكِ عَلَيْهَا؟» قَالَتْ: نَعَمْ، قَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «لَقَدْ قُلْتُ بَعْدَكِ أَرْبَعَ كَلِمَاتٍ، ثَلَاثَ مَرَّاتٍ، لَوْ وُزِنَتْ بِمَا قُلْتِ مُنْذُ الْيَوْمِ لَوَزَنَتْهُنَّ: سُبْحَانَ اللهِ وَبِحَمْدِهِ، عَدَدَ خَلْقِهِ وَرِضَا نَفْسِهِ وَزِنَةَ عَرْشِهِ وَمِدَادَ كَلِمَاتِهِ».
المزيد
Tatitra azo avy tamin'i Jowairia Renin'ireo mpino (R.A) niteny :
Nandao azy vao maraina ny Mpaminany rehefa avy nivavaka maraina, raha tao amin'ny moskeny izy, dia niverina izy taorian'ny fiposahan'ny masoandro, dia mbola tratrany nipetraka teo izy. Hoy i Mpaminany (S.A.W) : “Mbola eo amin’ilay toerana nandaozako anao ihany ve ianao?” Hoy izy : Eny, hoy ny Mpaminany : "Niteny teny efatra aho taorianao ary naveriko in-telo izany, raha nolanjaina tamin'izay nolazainao hatramin'ny maraina ka hatramin'izao dia navesatra ny lanjan’izy ireo : Voninahitra anie ho an’I Allah sy ny dera, araka ny isan’ny zavaboariny sy ny fahafaham-pony, araka ny lanjan’ny seza fiandrianany sy ny ranomaintin’ny teniny.