+ -

عن جابر رضي الله عنه قال: سمعت رسول الله صلى الله عليه وسلم يقول:
«أَفْضَلُ الذِّكْرِ: لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ، وَأَفْضَلُ الدُّعَاءِ: الْحَمْدُ لِلهِ».

[حسن] - [رواه الترمذي والنسائي في الكبرى وابن ماجه] - [سنن الترمذي: 3383]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i JABIR (R.a) niteny hoe : Izaho dia nahare an'ny Mpaminany (saw) niteny ka nanao hoe :
" Ny tonom-bavaka tsara indrindra dia ny : LA ILAHA ILLA-LLWAHO (Tsy misy tompo mendrika ho tompoina amin'ny marina afa-tsy i Tompo Allah), ary ny fangatahana sy fitalahoana tsara indrindra dia ny : AL-HAMDO LILLAHI (Fisaorana sy fankasitrahana ary fiderana an'i Tompo Allah) ".

[Tsara] - [Notantarain'i Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, ary Ibn Màjah]

Ny fanazavana

Manambara atsika i mpaminany (saw) fa ny tonom-bavaka tsara indrindra dia ny fahatsiarovana ny fitenenana hoe : " LA ILAHA ILLA LLAHO ", izay midika fa tsy misy tompo Tompoina am-pahamarinana afa-tsy i Tompo Allah, ary ny vavaka tsara indrindra dia ny fitenenana ilay teny hoe : AL-HAMDO LILLAHI, ary izy io dia fahatsapanao fa ny mpanasoa dia i Tompo Allah ilay avo Tsitoha, ary mendrika ho Azy manokana ny deraina amin'ny fahafenoana tsara indrindra.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Famporisihana ny amin'ny fitenenana im-betsaka ny teny fanokanana an'i Tompo Allah, sy fanaovana Hataka sy Douan amin'ny fitenenana AL-HAMDOU LILLAHI.